Talata 31 Aogositra 2027
Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Jakoba 4:8
(Hoy Jesosy :) Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Jaona 6:37
Tany Écosse, tanaty alina maizina, dia nisy tantsambo roa lahy mamo niondrana an-tsambokely mba hiampita helo-dranomasina iray, maika hody. Tsy be velarana ilay helo-drano, fa roapolo minitra fotsiny dia ampy hiampitana, amin’ny fotoana tsotra. Nefa toa ohatra ny ela ilay fiampitana ! Na dia nivoy mafy aza izy roa lahy, dia toa tsy nihetsika, ary niady tamin’izay noheveriny ho koriana manohitra, tsy nety tonga teny amorom-pasika. Nandeha ny fotoana, nihena hery hatrany izy roa lahy… Rehefa niposaka ny andro vao hitany ny antony tsy nihetsehan’ny sambokely : mamo izy ireo ka tsy nampiakatra ny vatofantsika !
Mety hampihomehy izany tantara izany. Nefa afaka manontany tena ny tsirairay hoe : misy sakana tsy ahafahako manatona an’Andriamanitra ve ? Fieritreretana tsy mandry, fahatahorana, hatezerana, toe-piainana manahirana ? Andriamanitra dia te hanafaka antsika amin’ny fatorantsika, sady mahay manao izany. Indraindray isika dia avelany „hivoy” aloha, mba hahatsapa fa mila ny fanampiany. Ndao hanatona Azy tsotra fotsiny, tsy amin-tahotra, araka ny maha isika antsika, fa tsy hiandry ho lany hery ! Misokatra mandrakariva ny lalana mankeo aminy, ambarany antsika ao amin’ny Baiboly izany. Meteza isika hotarafin’ny fahazavany, ndao hanokatra aminy ny fontsika manontolo. Tsy takatsika foana hoe avy aiza ireo zava-manahirana antsika, fa Andriamanitra kosa mahalala ny zavatra rehetra, ary mahatakatra ny manjo antsika : fantany ny fiainantsika manontolo, Izy no nahary antsika ! Na inona na inona lalana nodiavintsika, dia afaka manatona Azy isika, tsy hanosi-bohon-tanana antsika Izy : tsy misy fepetra ny fitiavany. Hampiany isika hanaisotra izay manakana antsika tsy handroso ara-panahy, ary hapetrany „eny an-toera-malalaka”, afaka eo anatrehany ; hanatona antsika Izy, ary hiasa ao anatintsika sy ho antsika.