Alatsinainy 30 Aogositra 2027
Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, ampingako … fiarovana avo ho ahy sy fandosirako. 2 Samoela 22:3
Miantombena amin’Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko ; fa Izy no antenaiko. Salamo 62:5
„Eo amin’ny fiainantsika, Ilay Mpahary dia mametraka eo ampelatanantsika fomba maro samihafa ho fiarovana antsika ; Izy mihitsy no fiarovana faratampony. Indraindray anefa isika dia mikiry mandà izany, mihevitra fa afaka ho tafavoaka amin’ny herintsika samirery. Isika dia mitoky amina zavatra ara-batana sy ratsy tombina ka paohin’ny rivotra mora foana.
Indray andro ny foko dia niantso mafy an’Andriamanitra hoe : „Raha misy Ianao, dia izao no fotoana tokony hidiranao an-tsehatra”. Dia nataony tokoa izany. Voalohany dia „navoakany avy tao anaty rano” aho, ary napetrany mandry feizay teny amorona. Niresaka tamiko Izy, nampionona, nampahery, ary nitia ahy. Narefo aoka izany ny foko tamin’izay fotoana izay, ka nanaiky hofenoin’ilay fitiavana tsy misy fepetra avy amin’ny Mpahary. Tahaka ray natao hikarakara ny zanany sy hiaro azy ireo, Andriamanitra dia manao izany amintsika tsirairay, raha avelantsika hanao izany, raha itokisantsika.
Avy eo nasehony ahy isanandro isanandro fa Izy dia vatolampy tsy mihontsona sy mafy, afaka ifikirako mandrakariva. Efa dimy taona aho izao no sitrana tamin’ny aretin-tsaina miharo fahalain-komana. Isaky ny tsapako fa mandondòna eo am-baravarako ny tsy filaminana sy ny tahotra, dia tsy manaiky hidirany aho ary mihazakazaka mialoka eny an-tsandrin’Andriamanitra, ka mandry feizay sy mahazo fampaherezana. Eo aho tsy manan-tahotra intsony, mitony ny foko. Miteny amiko Andriamanitra, mampahatsiahy ahy ireo fampanantenany, mampahatsiahy ahy fa efa novonjeny ho mandrakizay. Tsy hahafoy ahy na oviana na oviana Izy”.
Charlotte V.