Alahady 29 Aogositra 2027

Nokasaina hatao tao amin’ny olo-meloka ny fasany (nefa teo amin’ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina). Isaia 53:9

Nalain’i Josefa (Josefa avy any Arimatia) ny faty (ny fatin’i Jesosy) ka nofonosiny hariry madinika madio, dia naleviny tao amin’ny fasany vaovao, izay efa nolavahany tamin’ny vatolampy. Matio 27:59-60

 

Ady hevitra (2)

Teny an-tanana ny Baiboly, ary nisy faminaniana hafa momba ny Kristy, ao amin’ny Testamenta Taloha, nampahatsahivina :

Salamo 22:18 : „Mizara ny fitafiako ho azy izy, ary ny akanjoko ilokany”. Rehefa voahombo teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, no nanao izany ireo miaramila romana efatra (Jaona 19:24). Te hanatanteraka io faminaniana io angaha izy ireo ?

Salamo 69:21 : „Vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho”. Teo am-piaretana fijaliana tsy roa aman-tany ve Jesosy no ho nanan-kevitra voalohany hiteny hoe mangetaheta, sa fahazaran’ny miaramila mpiambina romana ny nanao toy izany (Lioka 23:36) ?

Salamo 34:20 : „Miaro ny taolany rehetra Izy ; tsy hisy ho tapaka ireny, na dia iray akory aza”. Rehefa maty Jesosy, ny ranjony dia tsy mba notapahin’ny miaramila, toy ny nataony tamin’ireo jiolahy roa (Jaona 19:32-33). Nahafantatra io lahatsoratra io angaha izy ireo ?

Zakaria 12:10 : „Hijery Ahy Izay nolefoniny izy”. Tamin’io faniratsirana farany ny tenan’Ilay Zanak’Andriamanitra io dia nahariharin’ilay miaramila romana ny fitiavan’ny Mpamonjy, Izay nanefa ny saran’izany tamin’ny nanolorany ny ainy : „Ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin’izay dia nisy ra sy rano nandeha” ; „Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (Jaona 19:34 ; 1 Jaona 1:7).

Ary farany, ny Isaia 53:9 dia tanteraka tamin’ny nataon’i Josefa, lehilahy mpanankarena avy any Arimatia, izay nanjary mpianatr’i Jesosy (teny androany).

Tanteraka ara-bakiteny avokoa ireo faminaniana rehetra ireo, na dia tsy fantatry ny olona nanatanteraka azy ireo aza. Igagana ny firindran’ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra : „Izay soratra rehetra [dia] nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra” (2 Timoty 3:16).

(tapitra)