Asabotsy 28 Aogositra 2027

Fa ianao, ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory, dia avy ao aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ny Israely ; hatry ny fahagola no efa nivoahany. Mika 5:1

(Hoy Jesosy :) Dinihinareo ny Soratra Masina… ireny no manambara Ahy. Jaona 5:39

 

Ady hevitra (1)

Niady hevitra ny mpino iray sy andiana tanora manohitra ny fampianarana kristiana ny ankamaroany :

— Fantatrareo ny teny faminaniana maro ao amin’ny Testamenta Taloha momba ny Mesia. Notanterahin’ny Tompo Jesosy ara-bakiteny ireo. Namaly ahy ny iray tamin’ireo tanora hoe :

— Eny, nefa efa voasoratra ela talohan’ny nahaterahan’ny Kristy ireny teny faminaniana ireny, ary satria fantany, dia notanterahiny araka izay voasoratra, mba hanambarany fa Izy tokoa no Ilay Mesia.

— Koa hazavao amiko àry hoe ahoana no nahafahan’ny Kristy ho teraka tao amin’io tanàna kelin’i Betlehema voatondro mazava tsara io, tanàna tsy maintsy hahaterahan’Ilay Zanaka mandrakizay etỳ an-tany, araka ny nambaran’ny mpaminany Mika. Ary ahoana no nataon’i Jesosy mba ho teraka tokoa tamin’io fotoana io sy tao amin’ilay ankohonana nambaran’ny Soratra Masina. Dia niteny indray ny tanora iray hafa hoe :

— Tsy afaka eritreretina ve hoe Jesosy, rehefa nahita fa teraka tany Betlehema tamin’ny fotoana voalaza, ary tao amin’io ankohonana voatondro mazava tsara io, dia nanapa-kevitra fotsiny izao hitondra tena mba hanekena Azy ho Ilay Mesia ?

— Azo eritreretina izany, nefa hazavao amiko hoe ahoana no nataon’i Jesosy mba hampisy jiolahy roa ho niara-nohomboana taminy, araka ny lazain’ny Isaia 53:12 sy ampahatsahivin’ny Marka 15:28 hoe : „Natao ho isan’ny mpanota Izy”.

Heverinareo koa ve fa nifanaraka tamin’ireo mpisoronabe i Jodasy hamadika an’i Jesosy amin’ny sekely volafotsy telopolo (Matio 26:15), mba hahatanteraka fotsiny ny teny faminaniana ao amin’ny Zakaria 11:13 ?

(hitohy)