Zoma 27 Aogositra 2027

Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary fahamasinana ; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Hebreo 12:14

Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana, fa amin’ny fahamasinana. 1 Tesaloniana 4:7

 

Ny asan’Andriamanitra… sy ny asako

Ny mpamboly dia mamboly ny sahany, miasa azy, manao izay hampahalonaka azy, mamafy eo aminy, nefa mahafantatra tsara fa raha zohina, dia tsy afaka mampitsimoka voa izy, na mandatsaka ranonorana, na mampiposaka ny masoandro mba hahazoany vokatra tsara kokoa. Mba hampamokatra ny asany, dia ilaina ny asan’Andriamanitra. Io olona io dia tsy mahay manatanteraka izay anjara asan’Andriamanitra, ary Andriamanitra tsy hanao ny anjara asan’ny mpamboly.

Toy izany koa ny fanamasinana. Midika tsotra hoe fanariana ny ratsy sy fisafidianana ny tsara io teny tsy dia takatra loatra io. Tsy misy kristiana afaka manamasina ny tenany, raha tsy miasa eo amin’ny fiainany ny Tompo, nefa tsy handroso koa izy raha tsy miezaka sy maharitra, eo amin’io lalan’ny fahamasinana io. Andriamanitra dia namorona ireo fepetra hahafahantsika miaina ao anatin’ny fahamasinana, nefa tena anjarantsika ny miaina ao amin’izany : tsy misolo toerana antsika Andriamanitra.

Ry kristiana namana, tiantsika ny miresaka ny fandresen’ny Kristy ny ota noho ny hazofijaliana, sy ny fanomezana antsika ny Fanahy Masina ahafahantsika ho mpandresy. Nefa izany fandresena izany dia mitaky koa ny hiadiantsika amin’ny ota, ary ho amin’izany, mitoky amin’ny Tompo.

Koa ndao hihaino ny teny hoe : „Miezaha mitady … fahamasinana”. Io fiezahana io dia hazakazaka maharitra ela fa tsy hazakazaka 100 metatra tsy akory. Nefa hafaliana be ny mahita fa ny Tompo dia te hampandresy antsika ny zavatra rehetra mandiso lalana sy maha babo antsika, mba hananantsika fiainana mamokatra : „ianareo… dia manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana” (Romana 6:22).