Alakamisy 26 Aogositra 2027

Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ny fijangajangana, fa ho an’ny Tompo ; ary ny Tompo ho an’ny tena. 1 Korintiana 6:13

 

Ny tenan’ny kristiana

Taona vitsivitsy taorianan’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy sy ny nitsanganany velona indray, dia nisy olona maro niova fo ho kristiana, tao amin’ny fiangonana tao Korinto. Satria jentilisa izy ireo taloha, dia nihevitra fa azo atao ny mijangajanga (manao firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana), satria tsy mahakasika „afa-tsy” ny vatana izany. Ambaran’ny apostoly Paoly mazava tsara an’ireo mpamaky ny taratasiny, fa amin’ny maha kristiana azy ireo, dia efa voasasa sy nohamasinina izy ireo, ary ny saina, fanahy sy tenany dia ho an’ny Tompo (andininy androany).

Tsy ny foko ihany, fa ny vatako koa dia an’ny Tompo. Mba efa nieritreritra izany ve isika ? Tsy mahatalanjona sy mahafinaritra ve izany hoe an’ny Tompo Jesosy „tena amam-panahy” izany ? ary afaka mamela ny fiainantsika mba hampiasainy. Izany no manafaka antsika tsy hanompo ny tenantsika, nefa ihany koa mampirisika antsika tsy hanao tsinontsinona azy ! Novidin’ny Kristy isika, ka velona mba ho Azy ankehitriny. Ary mikarakara sy tsy hanary antsika ny Tompon’ny tena.

Koa nahoana àry ny tena no sarobidy aoka izany amin’Andriamanitra ? Mamaly antsika ny apostoly Paoly : „Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin’ny heriny” (1 Korintiana 6:14). Andriamanitra dia hanangana velona indray izao tenantsika izao, mba hahafahantsika mitsaoka Azy, Izy sy ny Tompo Jesosy, ao anatin’io tena novana io.

Lazain’i Paoly koa fa ny Fanahy Masina dia monina ao anatin’ny tenan’ny mpino (1 Korintiana 6:19). Izany rehetra izany dia mampiseho fa tena zava-dehibe amin’Andriamanitra ny vatana ; noho izany isika dia mba tokony hitahiry azy ho madio, indrindra amin’ny lafiny firaisana ara-nofo.