Alarobia 25 Aogositra 2027

Fa hambarantsika amin’ny taranaka ho avy ny fiderana an’i Jehovah, sy ny heriny, ary ny fahagagana izay efa nataony. Salamo 78:4

Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany amin’ny olona izay mbola hateraka. Salamo 22:31

 

Inona no havelantsika ho an’ny zanatsika ?

„Inona no havelantsika ho an’ny zanatsika ? Hanao ahoana ny endrika hamelantsika ity tany ity ?” Apetraka matetika amintsika ireo fanontaniana ireo, ary maha tonga saina antsika momba ny andraikitra sy tsy fahombiazantsika.

Taomin’ny Baiboly isika hahatakatra fa tompon’andraikitra amin’ny fanabeazana sy fampianarana ireo zanatsika. Matetika isika dia miasa saina amin’ny lova ara-pivelomana sy an’ny tany havelantsika ho azy ireo. Fa mba inona kosa no havelantsika ho an’ireo zanatsika, amin’ny lafiny fampianarana ara-panahy sy ara-pitondrantena ? Hoy Andriamanitra amintsika : „Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha” (Deoteronomia 6:6-7). Taomina isika hiresaka amin’ny zanatsika ireo didy nomen’Andriamanitra ny olona. Asehon’ireo didy ireo antsika ny fiheviny momba ny tsara sy ny ratsy. Ahariharin’ireo koa ny tsy fahamendrehantsika eo anatrehan’Ilay Andriamanitra marina sy masina. Asafa, mpanao ny salamo tanisaina voalohany androany, dia mitaona antsika hitantara ny zava-mahagaga raketin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly. Mbola mahasoa ireo mandraka ankehitriny, ho fampianarana antsika : ambonin’ny zavatra rehetra, ireo izay milaza ny nataon’i Jesosy ho an’ny tsirairay amintsika ; ny fiainany lavorary teo anatrehan’Andriamanitra ; ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana tany Gologota, nitondra ny fahotan’ny mpino ; ny fitsanganany velona indray, manambara ny fandreseny ny fahafatesana ary koa ny maha Andriamanitra Azy.

Ndao hampita amin’ny zanatsika ireo fanambarana ny fahasoavan-dehiben’Andriamanitra ireo sy ny fitiavany.