Talata 24 Aogositra 2027
Manajà ny ray sy ny reninao. Efesiana 6:2
Nampahatsiahy fahatsiarovana tamin’ny fahatanorany ity dokotera efa antitra. „Indray takariva mafana tamin’ny volana jolay, teo amin’ny fivoahana ny tanàna kelinay aho dia nifanena tamin’ny raiko, izay niomana handeha an-tongotra ho any amin’ilay tanànan-dehibe akaikinay. Hoy izy tamiko :
— Ianao ve mba afaka hisolo ahy hitondra ity fonosana ity any an-tanàn-dehibe ? Nikasa ho any aho, nefa tsy tsaratsara izao hariva izao.
Ny tao an-tsaiko voalohany dia ny handà. Roambinifolo taona aho tamin’izany, ary efa hatry ny vao marainabe no niasa nanampy tamin’ny fijinja-mololo. Feno vovoka aho, reraka sy nangetaheta, ary zava-tokana no niriko, dia ny hihinan-kanina —ka izao ve dia tsy maintsy handeha lavitra hatrany an-tanàn-dehibe indray ! Kinanjo nisy feo tao anatiko nihazona ahy. Tena mino aho fa Andriamanitra mihitsy izany.
— Mazava ho azy fa hataoko izany ho anao, ry dada, hoy aho tamin’ny fo madio, sady noraisiko ilay fonosana.
Tohina ilay raiko malala efa antitra, ka nametraka ny tanany teo an-tsoroko sady niteny hoe :
— Misaotra, ry zanako malala. Zanaka mahafatra-po hatrizay ianao, zanaka mahatoky.
Rehefa niverina avy tany an-tanàn-dehibe aho, dia nahatazana avy lavitra olona maro nanodidina ny tranonay. Rehefa nahita ahy ireo, dia nihazakazaka nanatona ahy ny lehilahy iray, nitomany, ary niteny tamiko hoe :
— E indrisy ! Vao lasa ianao, dia nitambotsotra ny rainao, ary maty.
Efa lahiantitra aho ankehitriny, nefa nandritra izay taona maro izay dia tsy nanadino na oviana na oviana ny nisaotra an’Andriamanitra, noho ireo teny farany nataon’ny raiko, hoe : Zanaka mahafatra-po hatrizay ianao, zanaka mahatoky.”
Ndao haka tahaka an’i Jesosy, Izay nanatanteraka mandrakariva, ho an’ny Rainy, „izay sitrany” (Jaona 8:29).