Alatsinainy 23 Aogositra 2027

Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Jaona 15:13

Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Nitia azy Jesosy

Tao amina tanàna kely iray dia nisy mpino nametraka teo amin’ny fefiny, takelaka nisy teny hoe : „Nitia azy Jesosy”. Hitan’ny olona rehetra izy io, satria teo amoron-dalana. Toy ny apostoly Jaona, izay nantsoina hoe „ilay mpianatra tian’i Jesosy” (Jaona 20:2), io kristiana io dia nijoro ho vavolombelon’ny fitiavan’ny Mpamonjiny. Rehefa voatery nivarotra ny tranony izy, dia tsy hita teo intsony ilay takelaka. Angamba ilay tompony vaovao tsy nahatsapa hoe tian’Andriamanitra.

Ny Baiboly dia mitantara amintsika lehilahy iray naniry hahazo ny fiainana mandrakizay (Marka 10:17-22). Tanora izy, mpanapaka eo amin’ny vahoaka (Matio 19:20 ; Lioka 18:18), ary manankarena. Nanana izay rehetra nilaina hahasambatra eto an-tany izy. Tsara fitondrantena izy. Nahatsapa anefa izy fa tsy nanana ny zava-dehibe fototra, dia ny fiainana mandrakizay, ka nihazakazaka nanatona an’i Jesosy mba hilaza ny fangatahany. Izany dia fihetsika mandeha ho azy tena tsara, mba tokony hananantsika mandrakariva ihany koa. „Tia azy Jesosy”. Saingy nandiso fanantenana azy ny valinteny azony, hoe : „Amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao ; ary avia hanaraka Ahy” (Marka 10:21). Izany dia mampiseho fa nanan-toerana lehibe kokoa tao am-pony noho Jesosy ny harena eto amin’izao tany izao. Niala tamin’alahelo izy, satria tsy nahafoy ny harenany.

Naneho fitiavana marina antsika tsirairay Jesosy. Nanolotra ny ainy Izy, mba hamafany ireo fahadisoantsika sy hitondrany antsika ho amin’Andriamanitra. Eny, tiany isika ka iriny mba tsy hanao tahaka io lehilahy io, fa mba hamaly ny fitiavany ny fontsika, mba hino sy hanaraka Azy isika ka ho sambatra. Tiany hanambara ihany koa isika hoe : „Tia antsika Jesosy”.