Alarobia 1 Septambra 2027
Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy (ireo rehetra mino), noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 3:24
Aoka ho avy izay mangetaheta ; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina. Apokalypsy 22:17
Any amina firenena maro dia maimaimpoana ny sekolim-panjakana. Koa tokony hoheverina àry ve ? hoe tsy misy na inona na inona aloa, ho an’ny fianarana an-tsekoly. Tsia dia tsia ! fa tena lafobe aza ny saran’ny fampandehanan-draharaha : ny trano sy ny fikarakarana izany, ny karaman’ny mpiasa, ny ampahany amin’ny fitaovana, sns. Ary koa, na maimaimpoana aza ny sekoly, dia tsy maintsy aleha any…
Toy izany koa ny fanomezan-dehibe maimaimpoana avy amin’Andriamanitra. Atolony ho an’ny mpanota ny fahamarinana. Tsy misy sarany ve izany ? Ary raha misy, iza no hanefa io sarany io ?
Tokony ho tonga saina aho fa goavana ny saran’ny fanavotana (andoavana tamby ary arahina fanafahana), ary tsy sandaina amina volafotsy na volamena. Ny takin’ny fahamasinan’Andriamanitra, ho avotra hisolo ahy mpanota, dia ny ra sarobidin’ny Kristy. Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia „efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20). Izy dia „efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina” (1 Petera 3:18). Eny, Izy no nanefa !
Ny hoe tsy misy na inona na inona tokony hefaintsika, anefa, dia tsy midika hoe tsy misy na inona na inona tokony hataontsika. „Izay mety, aoka izy hisotro…” (andinin-tSoratra Masina androany). Misy dingana tokony hatao, hanatonana an’i Jesosy : ny famonjena mantsy dia tsy atsipiny amin’ny vahoaka, tahaka fanomezana atao dokam-barotra. Ary eo no misy sarany aloako. „Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy”, hoy ny apostoly Jakoba amintsika (4:10). Amin’izany no „andraisana” ny fanomezana maimaimpoana ny fiainana mandrakizay : amin’ny fibebahana, ny faniriana lalina hanana fifandraisana amin’Andriamanitra. Araka ny lazaina tononkira iray hoe : „Maniry ny lanitra aho, maniry an’i Jesosy, eny, maniry hanatona”.