Asabotsy 21 Aogositra 2027

Handeha amin’ny fahitsian’ny foko ao anatin’ny tranoko aho. Salamo 101:2

Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana ; velomy amin’ny làlanao aho. Salamo 119:37

 

Ao anatin’ny tranontsika

Ny andinin-tSoratra Masina voalohany voatanisa etsy ambony dia tohizin’ny hoe : „Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ny masoko aho”. Io teny nomen’ny mpanjaka Davida io dia fanapahan-kevitra hentitra sy fototra. Isika ihany koa ve mba vonona hanapa-kevitra tsy hijery, na hamaky, na hihaino zavatra ratsy na tsy madio, ao an-tokantranontsika ao ? Sa ve isika sahisahy hanaonao zavatra, satria hoe ao an-tranontsika ka tsy hitan’iza na iza ? Ilay mpitoriteny Charles Spurgeon dia nanoratra hoe : „Izay toetrantsika ao an-trano no tena maha isika antsika”.

Davida dia niaina tamina vanimpotoana mbola tsy nisy fahitalavitra, gazety boky, na dokam-barotra manaitaitra. Ankehitriny, na tsy fantatsika aza, dia tena mora foana ny hahitantsika zavatra tsy tokony hojerena kristiana. Ary raha tsy mahatohitra izany isika dia tandindomin-doza ho zatra tsikelikely amin’ny ratsy. Dia hadinontsika fa „fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy” isika (Efesiana 2:22), ary Andriamanitra dia „madio maso ka tsy te hitsinjo ny ratsy” (Habakoka 1:13). Ndao hahatsiaro ny apostoly Paoly, izay nitaona an’i Timoty, mpino tanora, handositra „ny filan’ny tanora fanahy” (2 Timoty 2:22), sy nitaona ny mpino tao Korinto mba handositra „ny fijangajangana” (1 Korintiana 6:18). Tsy vitan’ny hoe manohitra ny fakam-panahy sy ny ratsy fotsiny, fa mandositra ireny mihitsy. Andriamanitra dia te hanampy ny mpino tsirairay handray izany fanapahan-kevitra am-po izany sy hanatanteraka izany isanandro : tsy hilalao afo ka hamela ny ratsy hiditra, na dia kely variraiventy monja aza, eo amin’ny fiainantsika manokana.