Zoma 20 Aogositra 2027
Diovy … aho ho afa-pahotana, dia hadio ; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka. Salamo 51:7
Ny fiteny hoe „fotsy tahaka ny orampanala”, niseho dieny tamin’ny taonjato faha-14, dia „fampitahana amin’ny ranomandry, izay miloko fotsy, marika fanginana, tsy fananan-tsiny, ary fahadiovana”. Io fiteny io izany dia midika fa tsy misy na inona na inona afaka anomezan-tsiny antsika. Mety hifono fanesoana ihany koa izy io, anondroana olona manao zavatra toy ny hoe tsy manan-tsiny izy…
Ny marina anefa dia efa elabe lavitra no nipoitra io fiteny io. Hita ao amin’ny Baiboly izy io, ao amin’ny Salamo 51 (teny androany).
Ny mpanjaka Davida no nanoratra io salamo io, rehefa avy nanao fahadisoana goavana ary nanome baiko hahafaty ny iray amin’ireo miaramilany mahatoky indrindra. Niaiky izany teo anatrehan’Andriamanitra izy, ary nilaza ny fanenenany. Na teo aza ny halozan’ny zavatra nataony (fijangajangana nezahiny nosaronana tamina vono olona), dia resy lahatra ny amin’ny famindrampon’ny Tompo izy. Nofafan’Andriamanitra ny fahotana. Nanao izany ho an’i Davida Izy, ary mandraka ankehitriny dia mbola manao izany ho an’ireo rehetra manatona Azy ka miaiky fa nanao ratsy teo imasony.
Io salamo io izany dia antso ho antsika, mba hitodihantsika am-patokiana amin’Andriamanitra. Angamba isika mahatsapa fahamelohana, ary vesaran’izany mihitsy aza. Nefa ndao hitodika amin’Andriamanitra ! Lehibe mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fitiavany, lehibe kokoa noho ny fahotantsika. Te hanome antsika fiainam-baovao Izy, te hanome fahadiovana izay tsy ho nantenaintsika mihitsy… Mijery antsika am-pitiavana Izy, ary miteny amintsika hoe : „Malala eo imasoko ianao… sady tiako” (Isaia 43:4).
(tapitra)