Alakamisy 19 Aogositra 2027

Fandravana sy loza no eo anatrehako, ary misy ady, sady miseho ny fifandirana. Habakoka 1:3

Sambatra ny mpampihavana ; fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra. Matio 5:9

 

Mpampihavana

Hatry ny ela no nanantenana fa ny fandrosoana dia hitondra fahasambarana sy fiadanana ho antsika, ka hahafahan’ny tsirairay manana toe-piainana tsaratsara kokoa. Ny fisesisesy-na ady mihosin-dra, jadona, vono moka, dia nampiseho fa tsy nanova na inona na inona tamin’ny herisetra anatin’ny fon’ny olombelona ny fivoarana ara-teknika sy eo amin’ny fiarahamonina. Ny karazam-pivavahana samihafa dia tsy nahavita kokoa nitondra fandriampahalemana ; ary amin’izao fotoana izao, amin’ny maro amin’ny mpiara-belona amintsika, izy ireo dia midika herisetra sy fifandirana.

Fa iza moa no tompon’andraikitra amin’izany herisetra izany ? Andriamanitra ve ? Ilay Andriamanitra miteny amintsika ao amin’ny Baiboly dia milaza hoe : „Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao” (Jeremia 31:3). Nanatanteraka drafi-pitiavana Izy, naniraka an’i Jesosy Zanany ho teraka etỳ an-tany eo anivon’ny olona. Nanokatra lalana hafa Jesosy, dia ny lalan’ny fihavanana amin’Andriamanitra sy amintsika samy isika : „Mianara amiko ; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho” (Matio 11:29). Nifanaraka tamin’io fanambarana io ve ny fiainany ? Eny ! Nanome hanina Izy, nanasitrana, nihaino, nanasoa ny olona rehetra. Nanoloana ny herisetra mampihoron-koditra nafitsoky ny olona nisambotra, nitsara, nampijalijaly ary nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana, dia tsy nampiasa ny fahefana maha Andriamanitra Azy Izy, mba hanarenany ny fahamarinana sy hamonjeny ny tenany. Nanaiky hohomboana Izy, ary nomelohin’Andriamanitra, nisolo toerana antsika noho ireo fahotantsika.

Manomboka hatreto, raha mino isika fa nanolotra ny ainy Jesosy mba hamonjeny antsika, dia hain’ny Fanahin’Andriamanitra Izay ao anatintsika ny manafaka antsika amin’ny herisetra ao. Jesosy no ohatra alaintsika tahaka, mba hanapariahantsika ny fiadanana eo amin’ny fiainantsika etỳ an-tany.