Alarobia 18 Aogositra 2027
Hidera Anao aho, fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy ; mahagaga ny asanao ; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Salamo 139:14
Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy ? Salamo 8:3-4
Ilay filôzôfa sy mpahay matematika tamin’ny taonjato faha-17 antsoina hoe Blaise Pascal dia mpino. Ity misy iray amin’ny teny nosoratany („Pensée 73”), nohavaozina sy notsorina, eritreritra momba ny toeran’ny olona eo amin’izao tontolo rehetra izao, eo anelanelan’ny lehibe indrindra tsy misy fetra sy ny kely indrindra tsy misy fetra :
„Koa aoka àry ny olona hibanjina ny voary manontolo ao anatin’ny fahamboniana avo sy fenon’izany. Aoka ny tany hiseho aminy ho teboka eo amin’ny soridala-manodidina arahiny, ary aoka izy ho gaga hoe io soridala-manodidina arahiny io dia tsy inona fa teboka tena marefo, miohatra amin’ny soridala-manodidina arahin’ireo zava-danitra hafa. Ary io tontolo manontolo hita maso io dia tsy inona fa tsipika kely tsy tsapa akory, ao anatin’izao tontolo rehetra izao. Ny fisainantsika dia lasan-davitra ao anatin’ny eritreritra hoe : amin’izany no ahitana tsara indrindra ny hery tsitohan’Andriamanitra.
Rehefa niverina ny sain’ny olona, dia aoka izy hihevitra ny maha izy azy ; aoka izy hijery ny tenany hoe hadino ao anatin’io faritra very anatin’ny voary io ; ary aoka ho avy eo amin’io efitrakely fonja itoerany io, izany hoe izao tontolo rehetra izao, no ianarany maminavina ny tany, ireo fanjakana, ireo tanàna sy izy tenany, araka ny tena lanjany marina. Inona moa ny olona ? manoloana ny tsy hita fetra.
Nefa ny hoe vitsika, ao amin’ny habitiky ny vatany, mampiseho amin’ny olona singa mbola madinika kokoa tsy hay oharina amin’ny olona : tongotra misy tonona, dia hahitan’ny olona hantsambe vaovao hafa indray ! Aoka ny olona ho vaka ao anatin’ireo zava-mahatalanjona ireo, mahazendana noho ny hakeliny, tahaka ny hafa noho ny halehibeny. Izay hisaintsaina izany dia hangovitra manoloana ireny zava-mahatalanjona ireny ; ary inoako fa hiova ho figagana ny fahalianany hahafantatra, ary ho vonona izy hibanjina ireny am-panginana.”