Talata 17 Aogositra 2027
Jehovah no Mpiaro anao ; Jehovah no fialofanao (alokao) eo amin’ny ankavananao. Salamo 121:5
Fantatsika tsara fa rehefa eo ambany masoandro ny tenantsika dia manome aloka tsy haintsika sarahina amintsika. Noho izany, ny andinin-tSoratra Masina voatanisa etsy ambony ve tsy manana heviny tena miavaka ? Lazaina antsika hoe : „Jehovah no fialofanao (alokao)”. Afaka raisina amin’ny lafiny roa io teny io :
— Voalohany, Andriamanitra dia miaro antsika amin’ny fandoran’ny masoandro : „Hisy lehilahy ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra ; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany maha ana” (Isaia 32:2). Ny fandoran’ny masoandro dia mampieritreritra antsika ireo fitsapana samihafa mety hitranga amintsika. Hoy ny Salamo 63:7 amintsika : „Ao ambanin’ny aloky ny elatrao no hihobiako.”
— Ny lafiny faharoa dia mampahatsiahy antsika ilay andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Matio 28:20 hoe : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva”, hatramin’ny farany. Toy ny tsy ahafahantsika misaraka amin’ny alotsika no tsy hamelan’Andriamanitra antsika na oviana na oviana. Hoy Izy tamin’i Jakoba : „Indro, Izaho momba anao ka hiaro anao, amin’izay làlan-kalehanao rehetra” (Genesisy 28:15).
Izany ka fahazoana antoka mampitony ! ho an’ny kristiana. Tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay ao amin’ny Kristy Jesosy Tompontsika (Romana 8:39). Izany filaminana izany dia omena an’ireo rehetra mandray ho an’ny tenany ny famonjena atolotr’Andriamanitra : „Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5:13).