Alatsinainy 16 Aogositra 2027
Tompo ô… Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka fahalevonana ; fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra. Isaia 38:16-17
Wilhelm Busch (1897-1966) dia pasitera niasa tany amina faritra iray fitrandrahana arin-tany. Ny fitsidihana tokantrano, izay matetika nampananosarotra, dia nitarika azy ho tonga tao amina lehilahy mpitrandraka arin-tany iray niharan-doza lehibe. Nisy sombim-batolampy lehibe niendaka tao anatin’ny lavaka, ka nanapaka ny hazon-damosiny. Velona soa aman-tsara ihany ralehilahy, saingy nalemy sy tsy afa-nihetsika, teo ambony seza misy kodiarana. Ny fanontaniana niverina foana tao an-tsainy, hoe nahoana izy no tsy maintsy miaritra izao zava-manjo azy izao, dia mafy taminy kokoa noho ilay fijaliany ara-batana.
Rehefa nitsidika azy i Busch, dia nisy namany taloha vitsivitsy nanatrika teo. Nisy tavoahangin-toaka niparitaka eran’ny latabatra. Vao nahita ilay pasitera ity mpitrandraka arin-tany malemy, dia nipoaka ny fangidiana rehetra notanany tao anatiny. Nomeny tsiny izy hoe : „Taiza ny Andriamanitrao fony nitranga tamiko izao zavatra izao ? Nahoana Andriamanitra no mangina ?”
Notantarain’i Busch tamin’ny vondrona kristiana misy azy io zava-niainany io. Nivavaka mafy ho an’ilay mpitrandraka tra-doza izy ireo, ary nanasa azy mandrakariva hihaino ny tenin’Andriamanitra, amin’ireo fotoam-pivoriany. Nandeha teny ny fotoana, dia nandevona ny fangidiany ny hafatry ny fitiavan’Andriamanitra. Ary afaka volana vitsivitsy ilay mpitrandraka arin-tany dia nino Ilay Zanak’Andriamanitra, maty nisolo azy teo amin’ny hazofijaliana.
Nanomboka hatreo dia tsy nila toaka intsony io lehilahy io, mba hanadinoany ny kilemany sy ny fangidiany. Nanjary kristiana sambatra izy. Ary rehefa misy olona gaga mahita azy tena tony ary falifaly mihitsy, na teo aza ny zava-tsarotra aoka izany iainany, dia resy lahatra izy manazava hoe : „Aleo malemy, nefa an’i Jesosy sy tonga zanak’Andriamanitra, toy izay hiafara any amin’ny helo miaraka amina tongotra roa salama”.