Alahady 15 Aogositra 2027
(Hoy Pilato tamin’i Jesosy :) Tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin’ny hazofijaliana koa ? Jesosy namaly azy hoe : Ianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony. Jaona 19:10-11
Ireo lohandohan’ny fivavahana jiosy dia nanolotra an’i Jesosy tamin’i Pilato, governora romana. Te hahazo ny fanamelohana Azy ho faty amin’ny fanomboana Azy eo amin’ny hazofijaliana izy ireo. Nanadina an’i Jesosy ny governora, tsy niloa-bava Izy. Sorena i Pilato ka nilaza fa manana fahefana hamelona na hamono Ilay mijoro am-pitoniana eo anoloany, Izay noratraina sy nosatrohina tsilo. Nihevitra izy fa manana fahefana feno amin’i Jesosy. Nefa ve mba fantany hoe iza marina moa io Lehilahy io ?
Tsy ela akory talohan’izao Jesosy dia nilaza hoe : „Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho” (Jaona 8:58). Fahiny Andriamanitra dia naneho ny tenany tamin’i Mosesy, tamin’io anarana io : „IZAHO IZAY IZY” (Eksodosy 3:14). Koa ambaran’i Jesosy amin’izany ny maha Andriamanitra Azy, „IZAHO IZAY IZY”, Ilay Tsitoha, Izay mameno ny Testamenta Taloha amin’ny voninahiny. Andriamanitra tonga olona no teo anoloan’ilay lehibe romana ! Tsy ho ela Jesosy dia hanana ny fahefana maneran-tany (Matio 28:18), ary indray andro any dia handohalika eo anatrehany ny lohalika rehetra (Filipiana 2:10).
Nijoro teo anoloan’i Pilato tanaty toejavatra manala baraka Jesosy, ka hamaly azy an’avona ve Izy ary hampahatsapa azy ny fahamboniany lehibe dia lehibe ? Tsia, satria nanafoana ny tenany an-tsitrapo Izy, tonga olona, ary olona „tsy miavona am-po” (Matio 11:29). Nanitsy ny tenin’i Pilato anefa Izy, tsy hoe mba hanasongadina ny maha Izy Azy, Ilay Zanak’Andriamanitra, fa mba hanambara ny marina momba ny maha faratampony an’Andriamanitra : avy amin’Andriamanitra ny fahefana nomena an’i Pilato.
Deraintsika ao amin’izany valinteny tsotra nomen’i Jesosy an’i Pilato izany ny fanetrentena lalin’Ilay Zanak’Andriamanitra, sy ny faniriany hanatontosa ny asa famonjena nankinin’ny Ray taminy !