Asabotsy 14 Aogositra 2027
„Nino aho, ka dia niteny”, dia mino koa izahay ka miteny. 2 Korintiana 4:13
Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mampirisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 2 Timoty 4:2
Nirahin’Andriamanitra ny mpaminany Jona hanambara ny fitsarana hihatra tsy ho ela amin’ny tanànan’i Ninive (Jona 1). Nefa nanapa-kevitra handositra i Jona, ary niondrana an-tsambo. Tojo tafiodrivotra mahery ireo tantsambo, ka nanontany an’ilay mpaminany, izay voatery niaiky tamin’izy ireo fa nandositra an’Andriamaniny, satria tsy nankatò Azy. Fijoroana ho vavolombelona ratsy koa raha ratsy ! Taorianan’izany fifampiresahana izany anefa dia nivavaka ireo tantsambo.
Tamina toejavatra tsy fahita no namerenan’Andriamanitra an’i Jona, sy nanirahany azy indray hankany Ninive, hitondra ilay hafatra teo ihany. Inona no vokatr’izany ? Nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra ny mponina rehetra, ka najanon’Andriamanitra ny fitsaràny. Tsy afaka nifaly tamin’izany anefa i Jona : tafintohina izy ary nahatsiaro tena ho natao hoe mpaminany sandoka, nanambara fitsaràn’Andriamanitra tsy nihatra akory !
Ry kristiana namana, mora manome tsiny an’i Jona isika, manakiana ny tsy fankatoavany sy ny fitiavan-tenany. Nefa ve isika tsy matetika mitovy aminy ihany ? Mangina isika, nefa tokony hanambara ny Filazantsara ; miala tsy hijoro ho vavolombelon’ny finoantsika isika, nefa izany no angatahin’ny Tompo amintsika. Mihevitra angamba isika fa tsy mendrika ny fahasoavan’Andriamanitra ny olona sasantsasany, ka misaina tahaka an’i Jona momba ny mponina tany Ninive, hoe : tsy ilaina akory ny miteny aminy, satria tsy afaka hiova fo izy ireo ! Nefa dia…
Nampiasain’Andriamanitra ny fijoroan’i Jona ho vavolombelona, na teo aza ny fahalemeny. Isika ihany koa dia tsy vavolombelona tsara mandrakariva, nefa tian’Andriamanitra hampiasaina mba hikasika ny fon’ireo manodidina antsika.