Zoma 13 Aogositra 2027

Fa izay rehetra isan’ny velona dia mbola hantenaina ; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty. Mpitoriteny 9:4

Misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy Jehovah. Jeremia 31:17

 

Fiteny avy ao amin’ny Baiboly (6)

Raha mbola misy aina, dia misy fanantenana

Io fiteny io dia mampahery mba tsy ho very fanantenana na oviana na oviana, na ho kivy, na dia toa ratsy fandeha aza ny zavatra rehetra ! Raha manoloana ny aretina, dia fanantenana ara-drariny ho sitrana no ao an-tsaina. Toa ny bokin’ny Mpitoriteny ao amin’ny Baiboly no nipoiran’io fiteny io (Soratra Masina androany), nefa mivelatra kokoa ny fanantenana resahina ao.

Ny mpanoratra io boky io dia mandinika izay rehetra mitranga „atỳ ambanin’ny masoandro”, izany hoe etỳ an-tany, eto amin’ny tontolo misy ny olombelona, ary manontany tena ny amin’ny dikan’ny fiainana. Matetika dia mitory fahadisoam-panantenana sy ratsy ny fijeriny ny olombelona sy ny fiarahamonina ; nefa na izany aza izy dia mampiseho antsika fijery mazava sy tony ny fiainana, manoloana ny zava-tsarotra rehetra misy. Taominy isika hiaina ny fotoana ankehitriny sy handray ho fanomezan’Andriamanitra ny zava-mahasambatra tsirairay, ny fifaliana tsotra tsirairay, amin’izay fotoana isehoan’ireny, nefa tsy hanadino fa hampamoahiny indray andro any.

Rehefa miaiky fa mihelina ny zavatra rehetra etỳ an-tany, dia afaka manome lanja kely kokoa azy ireny sy miantehitra am-patokiana tanteraka amin’Andriamanitra. Mety hisedra toejavatra faran’izay sarotra isika indraindray, tsy mahalala izay hatao, tsy mahatsinjo izay hiafaran’ny olana. Ndao àry hanao tahaka an’i Abrahama, izay „na dia efa tsy nisy nanantenana aza, dia nanantena ihany … ka nino” (Romana 4:18), ary hametraka amin’Andriamanitra ny fanahiantsika rehetra, satria Izy no miahy antsika (jereo 1 Petera 5:7).