Alakamisy 12 Aogositra 2027

Aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo, hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao. Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo. Isaia 47:13-14

 

Haikintana sy haitetiandro

Ny fibanjinana lanitra rakotra kintana dia zava-mahafinaritra tsy manasatra : mahatsiaro tena ho kely sy bitika isika, manoloana ny habakabaka midadasika, indrindra rehefa mieritreritra hoe ampahany faran’izay kely amin’izao tontolo rehetra izao fotsiny no hita maso. Eny, „Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra… Tsy misy teny na fiteny anefa ; tsy re izay feony” (Salamo 19:1-3). Ny olombelona dia nomen’Andriamanitra haranitan-tsaina ahafahany mahatakatra ampahany amin’ny fihetsika mahatalanjona eo amin’ny kintana eny amin’ny habakabaka. Ankoatra izany, ny fitomboan’ny fahalalana ny haikintana dia manasongadina ny maha maro singa tsy takatry ny saina izao tontolo rehetra izao, ka miaraka amin’izany hamaro singa izany, manasongadina ny halehiben’ny Mpahary azy.

Nefa ny andinin-tSoratra Masina androany dia mampahatsiaro zavatra hafa tanteraka : tsy ny fahatakarana ny fifamoivoizan’ny kintana no ilaintsika, fa ny dikan’izany ampiharina eo amin’ny fiainantsika. Halan’Andriamanitra sy melohiny mafy ny haitetiandro, izay fanao efa tranainy be. Izy irery ihany no mahafantatra tanteraka ny rehetra momba ny fiainan’ny olona tsirairay, ary Izy no mihazona ny hoavy eo ampelatanany. Ny haitetiandro dia mitady haka ny toeran’Andriamanitra, Izay hany mahafantatra ny hoavintsika.

Resahin’Andriamanitra amin’ny olona ny hoavin’izy ireo, resahiny mazava ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly, fa tsy amin’ny fomba miafina ao amin’ny fihetsehan’ireo antokon-kintana. Ny devoly, ilay mpandainga, no miafina ao ambadiky ny filazana tononandro, ka mamily ireo mampiasa ny haitetiandro mba hiala amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. Raha zatra mitoky amin’ireo vinavina sandoka ireo ianao, dia aleo mijery ireo fahamarinana azo antoka ambaran’ny Tenin’Andriamanitra !