Alarobia 11 Aogositra 2027
Izaho (Paoly) namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy… Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay. 1 Korintiana 3:6-9
„Teo amin’ny faha-25 taonany i Franz Schubert (1797-1828), mpamorom-peon-kira aotrisiana, dia namorona amboaram-peon-kira malaza antsoina hoe „L’Inachevée” (Ilay Tsy Voafarana), satria tsy nisy afa-tsy ngadony roa, nefa efatra no fanao. Tsy nety lefy laza mihitsy izy io. Nahoana moa no tsy voafarana ? Ny eritreritra tonga voalohany ao an-tsaintsika dia hoe ny fahafatesana no nampihantona ny asan’ilay mpahay mozika. Nefa tsy izany velively ! Araka ny hevitry ny sasany, dia hoe noho ny hakantony. Tsara aoka izany ireo ngadony roa voalohany ao amin’ilay amboaram-peon-kira, ka azo heverina fa tsy ho nahaforona fahatelo mitovy hakanto amin’ireo mihitsy i Schubert. Noho ny herin-tsainy, dia naleony namela io asa io ho tsy voafarana, toy izay nanimba azy”. (Philippe Zeissig)
„Navela ho tsy vita, toy izay hosimbana…” Mampieritreritra izany. Isika ve, eo amin’ny fiainantsika, mahay mamela ny toerana ho an’izay tian’Andriamanitra hataon’olon-kafa ? Marina indrindra izany eo amin’ny asa fanompoana kristiana. Hoy ny apostoly Paoly : „Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo”.
Tokony hitandrina sy hifantoka tsara isika, manatanteraka ny asa fanompoana nankinin’ny Tompo amintsika (Kolosiana 4:17). Miaraka amin’izany koa, satria mahatsapa ny fetrantsika isika, dia miambina mba tsy hanjary fomba hanandratan-tena manoloana ny hafa ny asa fanompoan-„tsika” amin’ny maha kristiana antsika, na hampiarahina amina eritreritra hoe isika irery no mahavita io asa io. Tsy antsika io asa fanompoana io, fa an’ny Tompo ; mpiara-miasa amin’Andriamanitra fotsiny isika. Izy irery no manome hakanto an’ireo „amboaram-peon-kira tsy voafarana” nataontsika, ary mamita tanteraka ny asany amin’izay fitaovana tiany hampiasaina.