Talata 10 Aogositra 2027
(Hoy Jesosy tamin’ny mpianany :) Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza). Marka 6:31
Ao anaty bokim-peon-kira dia tsy naoty (feo) fotsiny no hita, fa fiatoana (fanginana) ihany koa. Anisan’ny feon-kira ireo fiatoana, ary eo amin’ny toerany, dia mitovy lanja, fara fahakeliny, amin’ireo naoty holalaovina. Raha esorina ireo fiatoana ireo, dia hikorontana ny feon-kira manontolo.
Toy izany koa, eo amin’ny fiainana maha mpino antsika dia mamorona feon-kira Andriamanitra, mikendry „hira” voafaritra mazava tsara. Tsy tokony hanaitra antsika ny fisiana fiatoana. Anisan’ny drafitr’Andriamanitra ho antsika ireny.
Indraindray ny fiainantsika dia tahaka asa atao mifanesy tsy ankijanona. Nefa ny teny voatanisa etsy ambony dia mampiseho fa angatahin’ny Tompo isika hiato ihany indraindray, mba hiala sasatra eo aminy ary hanovo hery vaovao. Ilaina ireny fiatoana ireny, raha tiantsika hirindra ny fiainantsika, tiantsika hitondra voa ho an’Andriamanitra, ary hanasoa ny manodidina antsika.
Amin’ny fotoana sasantsasany dia misy fiatoana tsy nampoizina, ary tsy nirina mihitsy aza angamba, mitranga eo amin’ny bokim-peon-kiran’ny fiainantsika. Mandritra ny fotoana fohy isika dia apetrak’Andriamanitra ao anaty toejavatra tsy nandrasana, ary indraindray „tsy afaka mihazakazaka”. Voatery mijanona tsy manao na inona na inona ve isika ? satria misy loza nitranga, na aretina, na toejava-tsarotra, na taona mandroso be. Aza kivy. Ireny fotoana ampihatahan’Andriamanitra antsika ireny dia tsy hoe tsy ilaina tsy akory, fa mainka manan-danja aza. Mahatonga antsika hanana faharetana, fahatoniana, ary fatokiana bebe kokoa ireny ; koa amin’izay dia hitovy kokoa amin’ny Tompo isika, ary ho vonona mandrakariva hijoro ho vavolombelona. Izany no tanjony ho antsika. Ireo fiatoana eo anilan’ny Tompo dia hampiasain’Ilay Andriamanitsika „Mpamoron-kira”, mba hitondra fitahiam-be.