Alatsinainy 9 Aogositra 2027

Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo (ny Fiangonana), na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. 1 Korintiana 12:12

Fa mainka ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany. 1 Korintiana 12:22

 

Ary ny sodina kely ?

Nampanao famerenana rodoben-javamaneno goavana i Michael Costa, mpitarika malaza tamin’ny taonjato faha-19. Naka toerana ny mpandray anjara, niaraka tamina zavamaneno marobe. Dia nanakoako ny trompetra, namoaka feo falifaly ny lokanga sy ny lokangabe, nihovitrovitra ny zavamaneno mpanao beso, tao anaty rindram-peo miezinezina. Ny sodina kely ihany no nangina. Vao nanomboka kely fotsiny anefa ny redona, dia najanon’i Costa, ary niantso mafy izy hoe : „Fa aiza ny sodina kely ? Tsy reko ny feony !” Malady aoka izany ny sofin’ilay mpitarika, ka tsy niafina taminy izany : tsy re ilay sodina kely !

Ry kristiana, ny sofin’ny Tomponao, raha ampitahaina amin’izany, dia mbola „malady” lavitra noho ny ana mpitarika rodoben-javamaneno. Ary rehefa tsy milalao ny „bokim-peon-kira” anjarantsika ao anatin’ny rodobeny isika, dia henony sy voamariny izany.

Eo amin’ny fiainana kristiana iainantsika dia mety hisy fotoana hahatsapantsika tena ho tsy ilaina. Mampitaha tena amin’ny hafa isika, ka mihevitra fa mahay kokoa izy ireo ; dia alaim-panahy isika hamela azy ireo hanao ny zavatra rehetra, satria mihevitra fa zavatra bitika kely loatra no ho vitantsika manokana ho an’ny daholobe. Tsy izany velively anefa ! Ny Baiboly dia mampianatra fa ny fitambaran’ny mpino dia mandrafitra tena iray (vatana tokana), izay Kristy no Lohany. Ary ny tsirairay amintsika dia manana anjara asa manokana ao amin’io tena io (io vatana io). Rehefa tsy manatanteraka io anjara asa io isika, dia tsy maintsy ho hitan’Ilay Tompontsika ny fitsoahantsika an-daharana, ary hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny tena manontolo izany.

Ndao àry hitandrina tsara, hamita am-panetrentena ny asa ankininy amintsika, mba hahasoa ny tena (ny tenan’ny Kristy) manontolo, mba ho fifaliantsika manokana, ary mba ho voninahitr’Ilay Lohan’ny tena (Kolosiana 1:18).