Alahady 8 Aogositra 2027

Joba dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe : Indro, tsinontsinona aho, ka inona no azoko avaly Anao ? Joba 40:3-4

Fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny alahelony. 2 Korintiana 8:9

 

Tahaka an’Andriamanitra… tahaka olona

Efa hatrizay hatrizay ny olona no te hitovy amin’Andriamanitra. Notoloran’i Satana hevitra izy, tao an-tsaha Edena, hoe raha mihinana ny voan’ny hazo voarara, dia hanjary „tahaka an’Andriamanitra” (Genesisy 3:5). Tatỳ aoriana ny olombelona dia nanorina ny tilikambo tao Babela, izay noheveriny hanakatra ny lanitra (Genesisy 11:4). Ary mpanjaka firifiry moa no nitaky ny hanomezan’ny olony azy voninahitra, toy ny hoe andriamanitra izy ireo ! Amin’izao vaninandro ankehitriny izao, mampiroborobo fatratra ny teknolojia, amin’ireo soloolona miha raitra kokoa hatrany foroniny, ny olona ve tsy mitady hifehy ny zavatra rehetra ? toy ny hoe mitady hitovy amin’Ilay Andriamanitra Mpahary.

Izany zanak’olombelona liana famehezana izany, inona no nataon’Andriamanitra ho azy ? „Ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy” (2 Tantara 2:5), nefa dia nanatona ny olona noarìny Izy, ka tonga olona mihitsy. Mifanohitra tanteraka amin’ny fihetsika feno avonavon’ny olona ny nataony : „nofoanany ny tenany… ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana” (Filipiana 2:7-8). Niaina tanaty fahantrana Jesosy, nolavin’ny mpiara-belona aminy, izay nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana, nony farany. Ilay Zanak’Andriamanitra, nofantsihina teo amin’ny hazofijaliana : fanambaniana tapitra ohatra ! Nekeny izany toerana mampihoron-koditra izany, satria tiany ny olombelona ary tiany novonjena tsy hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra, fitsarana mendrika azy nikomy tamin’Andriamanitra. Nanomboka hatreo, izay manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra, miaiky fa mpanota, ary mino ny sorona nataon’ny Kristy, dia asandratra ho zanak’Andriamanitra, ary hiara-manana ho mandrakizay amin’ny Kristy ny voninahiny.