Asabotsy 7 Aogositra 2027

(Hoy Jesosy tamin’ny mpianany :) Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy … hanana ny fahazavan’aina. Jaona 8:12

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Matio 5:14

Izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava, sady tsy manatona ny mazava. Jaona 3:20

 

Eo ambany fanazavan’Andriamanitra

Tahaka ny fanambanina lohasaha alohan’ny fiposahan’ny masoandro, ny zanak’olombelona dia rakotry ny haizin’ny fahavetavetana sy herisetra. Tonga tetỳ an-tany ny Kristy, ka tampoka teo dia niseho tamin’ny tena maha izy azy ny zanak’olombelona, rehefa napetraka teo ambany fanazavana vaovao. Ny fanetrentenan’ny Kristy, ny hamorampony, ny fahafoizantenany, ny faharetany, ny hahitsiny, ireo tanamasoandron’Andriamanitra rehetra ireo dia nanazava ny tontolo misy antsika —sy ny tsirairay amintsika-, ka nampivohitra ny avonavona, ny fitiavantena, ny hamafisam-po, ny fihatsarambelatsihy.

Mahay manombana ireo fahasamihafan-javatra isika, nefa ho amin’izany dia mila fototra iaingana. Ny ratsy dia faritana miohatra amin’ny tsara, ny lainga miohatra amin’ny marina, ny fankahalana miohatra amin’ny fitiavana. Ny Kristy dia tonga mba handrafitra ho antsika io Fototra iaingana lehibe io. Nefa ve aho mahay maka tahaka tara-pahazavana vitsivitsy ao amin’io Fototra io ? mba ho fahazavan’izao tontolo izao, araka izay nambaran’i Jesosy. Eny, voalohany indrindra, raha mamela hiditra ao anatin’ny foko, mba hampadio azy, io hazavan’Andriamanitra io, ary koa raha mino an’i Jesosy, mba hamenoany ny foko amin’ny ainy. Dia homena ahy ny ho mahitsy fisaina manoloana tolotra tsy ara-drariny, ny ho afa-po eo anivona mpiara-miasa tsy faly, ny ho matotra eo anivon’olona vetaveta ; izany hoe ny ho mpaka tahaka ny Kristy, Izay nampiharihary ireo lafy ratsy ao amin’ny toetran’ny zanak’olombelona, noho ny fitondrantenany sy ireo teniny, nampiharihary ireo lafy ratsy ireo, tamin’ny nampamirapiratany izay manentana Azy, dia ny fahasoavana sy fahamarinan’Andriamanitra.

Fihetsika mitory fahavononana izany, mety hiteraka fanontaniana, tsy fitiavana na lolom-po, nefa mendrika horaisina an-kerimpo, am-panetrentena, am-pifikirana amin’Ilay naneho io fihetsika io hatramin’ny fahafatesana, ho voninahitr’Andriamanitra.