Zoma 6 Aogositra 2027

(Hoy Jesosy :) Koa amin’izany, aza matahotra azy ianareo ; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava, ary izay ren’ny sofinareo, dia torio eo ambonin’ny tampon-trano. Matio 10:26-27

 

Fiteny avy ao amin’ny Baiboly (5)

Mitory eny an-tampon-trano

Mampiely vaovao, izany no hevitry ny hoe „mitory eny an-tampon-trano”, fiteny nanjary fanta-bahoaka tamin’ny taonjato faha-18… nefa hita ao amin’ny Baiboly ! Ampiasaina ihany koa io amin’ny heviny mifanohitra amin’izany, rehefa misy tsiambaratelo tsy tiana holazaina. Dia izao no tenenina : „Aza tantaraina eny an-tampon-trano izany”, midika hoe : „Aza lazaina an’iza na iza”.

Any Israely, tamin’ny andron’i Jesosy, ny ankamaroan’ny trano dia marin-tampona, ary tohatra avy etỳ ivelany no iakarana eny. Matetika dia mivorivory eny ny fianakaviana rehefa takariva, mba hisitraka ny hariva mangatsiatsiaka, ary mifampiresaka avy eny an-tampon-trano mifanakaiky ny olona, mifampizara vaovao. Mba hilazana vaovao lehibe, toy ny hoe fahaterahana, na fahafatesana… dia miakatra eny an-tampon-trano ny olona ary miantsoantso izany ho ren’ny manodidina. Ary ny mpiara-monina nahare indray, avy eo, no manaparitaka izany ho ren’ny any lavidavitra kokoa, dia toy izany hatrany. Dia fantatry ny rehetra haingana ilay vaovao.

Ny fanoherana tsy mitsaha-mitombo avy amin’ny Fariseo sy mpahay ny Lalàna no nahatonga an’i Jesosy hanonona ireo teny mampatoky sady mampahery lazain’ny andininy androany ireo, hoe : „Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava, ary izay ren’ny sofinareo, dia torio eo ambonin’ny tampon-trano”.

Izany fitaoman’i Jesosy ny mpianany izany dia natao ho antsika ihany koa, izay mpianany amin’izao taonjato faha-21 izao. Isika ihany koa dia mila mandre ny hoe : „Aza matahotra azy ianareo… ambarao”, mba handresentsika ireo tahotra, sy hanambarantsika ny finoantsika an’i Jesosy, ary hampisehoantsika ny atao hoe Filazantsara… Indraindray tsy miteny, fa amin’ny fitondrantenantsika, indraindray koa amina teny maneho hamoram-panahy sy fahamarinana.