Alakamisy 5 Aogositra 2027
Andriamanitra Raintsika… efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana. 2 Tesaloniana 2:16
Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe : … Izaho momba anareo mandrakariva. Matio 28:18, 20
Nisy mpinamana roa lahy nitana trano heva ara-Baiboly mba hampahafantatra ny Filazantsara, nahazo izao hafatra izao :
„Mampahery anareo aho hanohy hampahafantatra ny fanantenanareo amin’ireo olona tsy manana fanantenana. Maro ny olona no manana amby ampy ara-pivelomana, nefa tsy manana tanjona mazava eo amin’ny fiainana. Anisan’ireo aho taloha.
Avy amina fianakaviana kristiana aho, ary nanana namana tsara. Ara-pivelomana dia tsy nisy tsy nananako, nefa dia ory aho nandritra ny taona maro. Nony farany aho dia nanapa-kevitra nandao ny vondrona kristiana falehan’ny ray aman-dreniko. Tsy resy lahatra intsony aho hoe misy dikany ny fiainana toy izany. Nihevitra aho fa ho ampy ny mino an’Andriamanitra. Liana tamina karazam-pivavahana sy filôzôfia aho, saingy tsy nitondra fanohanana anaty ho ahy izany.
Nefa roa taona lasa teo ho eo izay, dia niaina fotoan-tsarotra nahaketraka aho. Dia nandinika ny Filazantsara aho, ary nahita fa ny Andriamanitry ny Baiboly irery ihany no mahay manafaka antsika amin’ny ota. Izay rehetra nanasaraka ahy taminy dia nozakain’i Jesosy Kristy teo amin’ny tenany. Izany faharesen-dahatra mafy orina izany no vatofantsiky ny fanantenako. Manana izao fahazoana antoka izao aho ankehitriny : Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia maty teo amin’ny hazofijaliana mba hizaka ny famaizana ireo fahotako. Avy eo Izy dia nitsangana velona indray, ary velona mandrakizay. Ny fahafantarana izany dia mahasambatra ahy indrindra.
Ankehitriny, ny tebiteby manindry sy ny fanahiana isanandro dia tsy mahafoana ny fananako antoka hoe hitantana ahy Jesosy mba tsy hananako ahiahy… mandritra ny androm-piainana omeny ahy, alohan’ny hakany ahy ho any aminy. Nanampy ahy betsaka ny asa fanompoana ny Tompo ataonareo.”