Alarobia 4 Aogositra 2027
Ny mason’i Jehovah amin’izao rehetra izao, mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy. Ohabolana 15:3
Namaly Jesosy ka nanao taminy hoe : … hitako teo ambanin’ny aviavy ianao. Jaona 1:48
Nisy vehivavy iray mpiara-monina aminay, nanao fanamarihana hoe : „Ao aminareo, misokatra mandrakariva amin’ny ora tsy miova ny varavarankely, ary mirehitra mandrakariva amin’ny ora tsy miova ny jiro”. Lehilahy mpiara-monina iray indray, nilaza tamiko hoe : „Mitsiriritra anareo aho, satria isaky ny alahady maraina ianareo mianakavy dia mandeha mankalaza ny andron’ny Tompo”…
Manara-maso mijery antsika ny hafa. Izaho manokana, rehefa mamoha ny varavarankeliko, dia mandeha ho azy ny fijeriko ireo an’ilay mpiara-monina amiko. Dia fantatro hoe mbola matory ry zareo, na tena tafafoha maraina. Na tsy voatery ho fitsikerana aza io fijery io, dia tsy ho tiako hitsikilo ahy mandritra ny andro ny mpiara-monina amiko.
Ireo fijery mifamaly ireo dia ahafahantsika mandray zavatra roa :
— Amin’ny maha mpino antsika, dia voantso isika hijoro ho vavolombelon’ny finoantsika, amin’ny alalan’izay ataontsika. Satria isika miaina tsy tapaka eo ambany fijerin’ny hafa, dia ndao ho vavolombelon’i Jesosy amin’ny fitondrantenantsika. Aza avelantsika handalo fotsiny izany fotoana fanararaotra izany !
— Araka ny ampianarin’ny Baiboly, dia eo ambany fijerin’Andriamanitra mandrakariva isika. „Ny sezafiandrianan’i Jehovah dia any an-danitra ; ny masony mijery, eny, ny hodimasony mizaha toetra ny zanak’olombelona” (Salamo 11:4). „Jehovah dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa” (1 Tantara 28:9). Ndao ho matotra, mihevitra izany. Indray andro any dia hasehon’Andriamanitra antsika izay rehetra hitany teo amin’ny fiainantsika. Taomina isika hitoetra eo ambany fahazavany, mba hiaina hanome haja Azy. Raha miaina isanandro eo ambany fijerin’Andriamanitra isika, dia ho vavolombelona tsara ho an’ireo izay mijery antsika !