Talata 3 Aogositra 2027
Ny Rainareo Izay any an-danitra … mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina. Matio 5:45
Nandritra ny resaka iray nifanaovana olon-dehibe momba ny toetrandro, dia nanamarika ny ankizy kely iray hoe „tsy manao izay zavatra lazainy foana ny mpilaza ny famantarana toetrandro” ! Tenin’ankizy mahatsikaiky… Nefa nandritra ny taona 2023, nisiana hafanana be sy haintany, dia nanaraka matetika ny filazana momba ny toetrandro aho, niandry ny hilazana fa hiverina ny ranonorana sy hihena ny hafanana, izany hoe nanadino fa ny fotoana dia eo am-pelatanan’Andriamanitra, Ilay Mpahary, mandraka ankehitriny.
Rehefa nitory ny Filazantsara ny apostoly Paoly dia nilaza fa Ilay Andriamanitra velona dia „tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona … fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo, sady manome taon-jina” (Asan’ny Apostoly 14:17).
Siansa tena mahasoa ny famantarana toetrandro, nefa tsy izy no mamorona ny trangan-javatra momba izany. Ambaran’ny Tompo Jesosy antsika mazava fa ny Ray, noho ny hamoram-pony, no „mampiposaka ny masoandrony” sy „mampilatsaka ny ranonorana” amin’ny zanak’olombelona. Ny toetrandro dia tokony ho antom-bavaka sy antom-pisaorana ho antsika.
Ny Kristy dia manome koa fampianarana iray hafa ho antsika, fampianarana miankina amin’ny famantarana toetrandro : „Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin’izay dia hoy ianareo : Ho avy ny ranonorana ; dia tonga izany… Ny tarehin’ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina ; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao ?” (Lioka 12:54-56). Ny hoe „mamantatra ny andro” iainantsika izao dia mahatakatra fa manalavitra kokoa hatrany an’Andriamanitra izao tontolo ankehitriny izao. Koa ahoana àry no hahavoavonjy amina tontolo mihazakazaka mankamin’ny fahapotehana ? Ny Baiboly, ny Tenin’Andriamanitra, no mamaly antsika.