Alatsinainy 2 Aogositra 2027
Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ny zanak’olombelona. Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao, noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ny ataony ? Joba 33:12-13
Andriamanitra, Mpamonjy antsika… tia ny olona rehetra hovonjena. 1 Timoty 2:3-4
Nisy olom-panjakana iray feno avonavona sy tia ady, fanta-bahoaka ho tsy mino ny fisian’Andriamanitra. Indray andro, tanaty kabariny iray dia niteny mafy izy hoe :
— Raha misy Andriamanitra, dia malalaka Izy hamono ahy. Omeko dimy minitra Izy, hanaporofoany amiko ny fisiany.
Rehefa tapitra ny dimy minitra, dia niteny izy hoe :
— Koa ananako izao ny porofo fa tsy misy Andriamanitra.
Raha tsy dia bontolo saina loatra izy, sy mba mahatsiaro tena kokoa, dia ho afaka nanatsoaka hevitra hoe tsy misy izany Andriamanitra sahin’olona baikoina izany. Na koa izany Andriamanitra manaporofo ny fisiany izany, amin’ny fandevonana ny zavaboariny.
Koa hevitra diso sy mivaona toy inona re ny azy ! momba io Andriamanitra tsy inoany io.
Ny Andriamanitra inoantsika ambaran’ny Baiboly dia tsy mba manaiky hobaikoina. Fa Izy kosa no „mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka” (Asan’ny Apostoly 17:30). Raha tsy miraharaha izany didy izany, dia minia misetra famaizana mandrakizay.
Io Andriamanitra io koa no manambara fa tsy maniry ny hahafatesan’ny mpanota, fa ny hananany fiainana mandrakizay. „Fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3:9).
Aza manao tahaka io lehilahy io, aza manandrana mihantsy ny fanamelohan’Andriamanitra ; aleo mitady ny hifandraisana aminy. Ho hitantsika Izy ao amin’ny Zanany, Izay nidina avy any an-danitra mba hanambara Azy amintsika ho Ray feno fitiavana. Andriamanitra dia te hamonjy izay manatona Azy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.