Alahady 1 Aogositra 2027
Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany ? … Raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra ? Joba 38:4, 7
Hoy ny anjely taminy : … Indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra. Lioka 2:10
Mety ho toa zava-miafina ny fisian’ny anjely sy ny anjara asan’izy ireo. Resahin’ny Baiboly antsika ireo zavamananaina ireo, izay fanahy noarìna mba hanompo an’Andriamanitra eo anivon’ny olona (Hebreo 1:7, 14). Ny anjely dia vavolombelona migaga amin’ny asan’Andriamanitra, sy mampiseho fifaliana amin’ny fotoana maromaro :
— Rehefa nivoaka lavorary avy amin’ny tanan’Andriamanitra ny voary, dia „nihoby” ireo anjely (ireo „zanak’Andriamanitra”, andininy androany). Izy ireo dia nanatrika ny fametrahana tetỳ an-tany ny olona noarìn’Andriamanitra, sy ny fanatanterahana ireo drafitr’Andriamanitra mba hanisy soa ny zanak’olombelona.
— Nisy Zaza vao teraka tany Betlehema (Jesosy). Niseho tamina mpiandry ondry ny anjely iray, nanambara „teny soa mahafaly” tamin’izy ireo. Avy eo dia nisy anjely marobe niseho, nankalaza an’Andriamanitra manoloana ny zava-miafina lehibe momba Ilay Zanak’Andriamanitra tonga olona (Lioka 2:8-14).
— Tatỳ aoriana dia nanambara Jesosy hoe : „Misy fifaliana … eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra, ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka” (Lioka 15:10). Koa ny anjely izany dia vavolombelon’ny fibebahan’ny olona tsirairay, ary mandray anjara amin’ny fifalian’ny lanitra amin’io fotoana io.
— Farany, ao amin’ny Apokalypsy, izay manoritsoritra ny hoavy, ireo anjely dia miombona amin’ny fiderana sy fifaliana maneran-tany manoloana ny Kristy, Ilay Zanak’ondry any an-danitra (Apokalypsy 5:11-12 ; 19:6-7).
Araka izany ny anjely dia mifaly sy mitsaoka, migaga amin’ny nataon’Andriamanitra, teo amin’ny voary sy ho famonjena mandrakizay ny mpino rehetra. Nefa ny olombelona no iantefan’ny fahasoavana sy hatsarampon’Andriamanitra. Toy inona moa no tokony hahafeno fifaliana ny fontsika ! noho izany famonjena lehibe atolotr’Andriamanitra izany.