Asabotsy 31 Jolay 2027
Homen’ny Tompo famindrampo anie ny ankohonan’i Onesiforosy ; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako ; fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita. 2 Timoty 1:16-17
Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena. Salamo 68:6
„Nahita foto-draozy nirehitra aho tao anaty mason’ireo zokiolona navela tany amina trano fitaizana zokiolona, rehefa mba misy zanany iray mijoro eo am-baravarana hitsidika azy. Mbola tsy nisy seho nanohina ny foko toy izany.” Izany no nanoritsoritana mpanoratra iray tamina fomba kanto ny fifaliana, ny hasambarana afaka entina fitsidihana olona manirery iray.
Mety hahatsiaro tena ho irery mihitsy, rehefa any amina trano fitaizana zokiolona. Maro ireo zava-doza ateraky ny fanirery eo amin’ny fiarahamonina misy antsika, izay isehoan’ny fitiavantenantsika miharihary kokoa hatrany.
Ny apostoly Paoly tenany dia nangirifiry nahatsapa ny naha irery azy teo am-panatanterahana ny asa nanirahana azy. Niteny izy hoe : „Izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesosy Kristy” (Filipiana 2:21). Koa toy inona moa no nankasitrahany ny asa fanompoan’i Onesiforosy ! Ampahatsahivin’ny andinin-tSoratra Masina androany antsika ny zotom-po, hery ary fikarakarana nasehony an’i Paoly. Tamina fotoana hafa, nentina hogadraina any Roma i Paoly, ary nahazo hery indray nahita rahalahy nitsena azy (Asan’ny Apostoly 28:15).
Asehon’ny Baiboly amin’izany ny halehiben’ny fiombonam-po tokony hampiavaka ny fiainan’ny mpino. Jesosy no ohatra tokony harahina, teo amin’ny fandehany tetỳ an-tany. Imbetsaka ireo filazantsara no mampiseho Azy hoe „onena” (Matio 9:36 ; 14:14 ; 15:32). Hasambarana toy inona moa ny mahafantatra fa mandraka ankehitriny, Izy Jesosy, Ilay „tsy miova”, dia nampanantena antsika hoe : „Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory” (Hebreo 13:5). Ndao hanana fo toy ny an’i Jesosy, mba hanatona ireo manirery sy nafoy !