Zoma 30 Jolay 2027
Homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Ezekiela 36:26
(Hoy Jesosy :) Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. Jaona 3:3
„Manana fo vato ianao !” Tsy hisy olona te handre io teny fanomezan-tsiny io ! Izany fiteny izany tokoa mantsy dia manondro olona tsy mangoraka, mafy fo, tsy miraharaha, tsy mahalala ny hafa na mihetsi-po aminy. Toetra tsy dia mandoka… Mafonja ilay kisarisary, satria mampifandray zavatra roa mifanohitra : ny fo-na zavamananaina, mariky ny aina, fitiavana, fihetsehampo, sy ny vato, singa tsy misy aina, mafy sady mangatsiaka. Ny fo vato koa dia ny fo tsy miraika amin’ny tenin’Andriamanitra, tahaka ny Farao tany Egypta fahiny, izay nandà tsy handefa ny vahoaka hebreo, na niteny izany aza Andriamanitra (Eksodosy 7:14). Tatỳ aoriana, io vahoaka io koa dia nihamafy fo ka tsy nihaino an’Andriamanitra intsony. Koa mba hananany fifandraisana velona aminy indray, dia tsy maintsy maheno ity tenin’Andriamanitra ity izy ireo hoe : „Hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo” (teny androany).
Ny fo nofo dia hita ho mora mandre sy mandray ny antson’Andriamanitra, ho vonona hanaiky ny fitiavany. Mba hialana amina fo vato ho amina fo nofo, dia ilaina ny asan’Andriamanitra ao amin’olona iray, mba hisokatra amin’ny Teniny sy hifandray aminy io olona io. Izany no „fahateraham-baovao” resahin’i Jesosy (teny androany). Fiovana lalina io, avy amin’ny fibebahana, izay mitarika antsika hitovy hevitra amin’Andriamanitra, momba ny maha mpanota antsika.
Te hanatanteraka io fanovana io ao anatintsika Andriamanitra, nefa andraikitry ny tsirairay ny mamela Azy hiasa mba hanova azy, sy miteny aminy am-pinoana hoe : „Andriamanitra ô, ovay ny foko mba hahafahako mandre sy mihaino Anao !” Ho amina fiaingana vaovao, ho amina fiainana vaovao.