Alakamisy 29 Jolay 2027
Avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy. Matio 15:19
Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo ? Tsy izao va no iaviany, dia ny filanareo, izay miady ao anatin’ny momba ny tenanareo ? Jakoba 4:1
Rehefa avy nanamboatra zavatra tao an-tranoko ity mpanao taozavatra iray, dia nampahatsiaro ireo fikorontanana be manimba ity tontolo misy antsika ity, sady nalahelo satria ratsy fandeha ny toejavatra rehetra, „noho ny ataon’ny hafa”. Nefa rehefa hanao ny faktiora izy dia nanolo-kevitra ahy tsy hilaza ampahany amin’ny hetra tokony haloako… Manakiana ny fitiavantenan’ireo mpitarika ara-pôlitika sy mpitantana orinasa vaventy izy, nefa tsy marina eo amin’ny fiainany manokana. Milamina ve izany ?
Indraindray ny fibanjinantsika ireo olana lehibe eo amin’izao tontolo izao dia fomba anaronantsika ny vokatr’ireo tsy fiheverantsika. Ny fitsarantsika ny fiarahamonina sy ireo rafitra eo aminy dia mety ho famantarana fa tsy nitsara ny tenantsika isika. Tsy hitana ahy ho tompon’andraikitra amin’ny fahorian’ny zanak’olombelona Andriamanitra, nefa kosa hampamoaka ahy ny amin’ny fiainako manokana !
Mazava ny ambaran’ny Baiboly : ireo tsy fahamarinana, ady, dia avy ao am-pon’ny olona ny loharanony. Mora ihany ny manakiana ireo zava-tsy milamina eto amin’ity tontolo misy antsika ity, nefa ve aho mba vonona hanontany tena momba ny amiko manokana ? „Ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va ?” (Romana 2:21).
Eny, ireo olana lehibe momba ny zanak’olombelona dia mampitodika antsika amin’izay ao anatin’ny fontsika ao. Matetika isika no manome tsiny ny hafa ny amin’izay ataontsika ihany koa, amina endrika heverintsika ho „azo ekena kokoa” angamba, nefa dia mitoetra ho fahotana, eo anatrehan’Andriamanitra. Mba mahatsiaro tena ve isika ? hoe ilaina diovina amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy ny fontsika.