Alarobia 28 Jolay 2027

Nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy. Salamo 40:2

Sambatra izay olona manao an’i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman’ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin’ny lainga. Salamo 40:4

 

Vato famonjena

Eo amin’ny talantalana tsena iray dia nisy mpivarotra mampiranty firavaka iambozonana maro, anantonana vato madinika voatefy. Ny soratra manoritsoritra azy ireo dia hoe : vato mampahery, mampitony, mampirisika, fanetrentena, fahendrena, hitsimpo, manome fiadanam-po… Araka izay tian’ny tsirairay. Toa sarotra ihany ny hino hoe sila-bato kely tahaka izany dia hanana fahefana. Nefa dia misy manaiky ho voasarika karazana zavatra toy izany, heverina ho manambina. Tsy vao androany no nisy izany endrika finoanoam-poana izany. Hoy ny mpaminany Isaia ny amina sila-kazo iray : „Anaovan’ny olona kitay izany, ka analany hamindroany ; eny, ampirehetiny izany, mba hanendasany mofo ; anaovany andriamanitra izany, ka dia ivavahany ; eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany, ka dia iankohofany” (Isaia 44:15). Io andinin-tSoratra Masina io dia manindry ny maha hevi-dravina izany : manandratra ho andriamanitra iankohofana, zavatra natao ho levona. Ny mpaminany Samoela koa anefa dia toa nanome lanja vato iray. Nantsoiny hoe „Ebenezera” izy io, midika ara-bakiteny hoe vato famonjena. Tsy nisolo an’Andriamanitra anefa io vato io. Zavatra natao hampahatsahivana ny rehetra fotsiny izany, hoe : „Efa novonjen’i Jehovah isika hatramin’izao” (1 Samoela 7:12). Mosesy koa dia nampahatsiahy ny halehiben’Andriamanitra, ka nilaza hoe : „Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany” (Deoteronomia 32:4). Izy Andriamanitra irery ihany no azontsika ianteherana. Ny vatolampiko, ny mandako, Ny fierena sy fiarovana ho ahy, Ny itodihako rehefa azom-pahoriana Dia Jesosy, Ilay Mpanavotra.