Talata 27 Jolay 2027

(Hoy Jesosy :) Na inona na inona tononinareo amin’ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany. Marka 11:24

 

Ny vavaka zazavavy kely iray

Tamin’ny taonjato faha-19 i George Muller dia nanokatra trano maromaro fitaizana kamboty, tany Bristol, any Angletera, niantehitra tamin’Andriamanitra irery ihany, tamin’izay zavatra nilaina ara-pitaovana. Nisy zazavavy kely iray, nahafantatra fa Andriamanitra mamaly ny vavak’io lehilahy mino io, niteny taminy indray andro hoe :

— Mba tiako raha mamaly ny fivavako tahaka ny ataony aminao Andriamanitra.

— Hataony tokoa izany, hoy i George Muller namaly. Inona no tianao hangatahina amin’Andriamanitra, ry Abigaïl ?

— Ba volonondry.

— Izao àry, avereno izay lazaiko : Andriamanitra ô ! mangataka aminao aho, mba andefaso ba volonondry i Abigaïl.

Nony vita ny vavaka nataony dia nihazakazaka hilalao any an-jaridaina ilay zazavavy kely, nahazo antoka fa ho avy ny volonondry. Afaka minitra vitsivitsy dia niolomay niverina izy, nilaza hoe : — Hadinoko ny niteny tamin’Andriamanitra ny loko tiako.

— Tsara izany, anaka, farito tsara mandrakariva izay tadiavina ; lazao an’Andriamanitra, izao, izay loko tianao ho azo.

— Raha sitrakao, Andriamanitra ô ! dia mba ampanatero ba maro loko aho !

Ny ampitso maraina dia nisy fonosana entana tonga ho an’i Abigaïl, feno ba miloko maro samihafa. Tsaroan’ny mpampianatra Soratra Masina azy fa manakaiky ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany.

Ho anao izay mamaky izao teny izao : Asehon’io tantara kely tranainy tena marina io fa Andriamanitra dia mamaly ny finoana tsotra. Tsy nampanantena hanome izay rehetra tiantsika Andriamanitra, nefa mihaino ny vavaka rehetra. Ary na tsy mamaly avy hatrany mandrakariva aza Izy, na tsy mamaly tanteraka araka izay mba tiantsika, dia afaka mampiasa ny toejavatra rehetra mba hanehoany ny tenany amin’ireo izay mitady Azy amina finoana tsotra.