Alatsinainy 26 Jolay 2027

Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko ; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho. Salamo 5:3

Mahareta amin’ny fivavahana, ka miambena amin’izany amin’ny fisaorana. Kolosiana 4:2

 

Ny vavaka atao am-pinoana

Ny hoe mivavaka dia miresaka amin’Andriamanitra am-patokiana, tahaka ankizy kely matoky ny ray aman-dreniny. Midika izany, hoe manokatra aminy ny fontsika, milaza am-pahatsorana tanteraka aminy ireo fangatahantsika, ary tsy manadino hoe iza moa Izy. Hoy Jesosy : „Koa amin’izany, mivavaha toy izao ianareo : Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao” (Matio 6:9). Isika dia miresaka amin’Ilay Raintsika, Izay tsara, mahatoky, mahery, masina… ary „mihaino ny fivavaky ny marina” (Ohabolana 15:29).

Manoritsoritra ny fiainan’olom-bavaka maro ny Baiboly. Elia, ohatra. Nanana ireo fahalemena mamaritra ny olona rehetra izy, nefa notarihin’ny finoany hivavaka amin’Andriamaniny isanandro. „Elia … nahery nivavaka mba tsy hilatsahan’ny ranonorana ; dia tsy nilatsaka tamin’ny tany ny ranonorana, telo taona sy enim-bolana” (Jakoba 5:17). Vavaka hafahafa, nefa nataony mba hampiverenana amin’Ilay Andriamanitra marina ny fon’ny mpiara-belona aminy. Telo taona sy tapany tatỳ aoriana, teo an-tendrombohitra Karmela i Elia dia niankohoka tamin’ny tany, ary nivavaka mba hiverenan’ny ranonorana eo amin’ny tany. Nirahiny impito ny mpanompony hizaha ny fiavian’ny ranonorana (1 Mpanjaka 18:42-44). Farany dia nisy rahona kely nitranga : namaly ny fitalahoany Andriamanitra…

Niresaka an’i Elia ny apostoly Jakoba, nanamarika hoe : „Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra” (Jakoba 5:16). Ny hoe „marina”, ao amin’ny Baiboly, dia izay nandray noho ny finoana ny fahasoavan’Andriamanitra, Izay mamafa ireo fahotany. „Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy (ireo rehetra mino), noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 3:24). Ndao hanatona an’Andriamanitra, mba handray ny famelan-keloka avy aminy, ary ndao hivavaka aminy am-patokiana, mba hahazo vonjy avy aminy (jereo Hebreo 4:14-16).