Alahady 25 Jolay 2027

Ny feon’i Jehovah mampisaraka ny lelafo. Salamo 29:7

Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô ! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra ; heniky ny zavatra nataonao ny tany. Salamo 104:24

 

Ny borera (scarabée) mpitifitra

Tamin’ny taona 1961 ilay mpahay simia Schildknecht dia nanao fikarohana mikasika ny borera mpitifitra. Hitany tamin’izany fa io biby io dia manana taova roa mpamorona fangaron-tsiranoka mipoaka, sy efitra kely roa firehetana, ary fantsona roa afaka atondro tahaka tafondro. Raha mankany amin’ny toerana fanaovana fanandramana isika, mba hanafangaro ny zavatra roa ao amin’ny borera, dia hiparasaka eny amin’ny tarehintsika ilay fangaron-tsiranoka ! Ny borera anefa dia manampy singa manakana ny fipoahana. Manaraka izany, rehefa misy fahavalo manatona azy, dia ampiany eo am-pandefasana an’ilay taharo ilay singa mampitsefotra azy… ! Dia miparasaka eny amin’ny tarehin’ny fahavalo ny tsiranoka manontolo. Mahatalanjona antsika izany fomba fiarovan-tena saro-dinihina izany. Izany dia mampahatsiaro antsika ny fetrantsika sy ny tsy fahaizantsika manao zavatra, sady mahatonga antsika higaga amin’Ilay nanao am-pahendrena ny zavatra rehetra (Salamo 104:24), nanomana mialoha ny zavatra rehetra mba hizotra tsara. Eny, afaka migaga amin’ny Mpahary ahy aho, noho ny fahendreny sy ny heriny. Nefa indrindra koa, afaka misaotra Azy aho naniraka an’i Jesosy Kristy ho sorona, mba hahafahako mahafantatra Azy ankehitriny ho Ray tsara fo, sy hahafahako ho vonona hihaona aminy, rehefa hampamoahiny ny amin’ny fiainako aho. Lehibe Izy ! Masina Izy ! Fitiavana Izy ! Fa rehefa misaina aho, eny, zava-miafina lehibe indrindra, Fa Andriamanitra lehibe aoka izany no nihevitra ahy, Fa te hiantso ahy hoe rahalahy Ilay Zanany malalany… Dia milaza andro aman’alina ny foko hoe : Tena tsara Ianao, ry Andriamanitra fitiavana ! (H. Arnera)