Asabotsy 24 Jolay 2027

Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao ; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahina no marina. Romana 12:2

 

Ny somao (saumon)

Io trondron-dranomasina mpandeha lavitra io dia anisan’ny zava-miafin’ny voary. Milanja anjatona grama vitsivitsy fotsiny ny somao dia, rehefa roa taona. Dia handeha kilometratra anjatony anaty ony izy, hanatratra ny ranomasina, misy ny rano masira. Mijanona any izy mandritra ny roa na telo taona, ary mihalehibe any. Avy eo izy dia miverina any amin’ny vinany niampitany ho any amin’ny ranomasina, ary manomboka ny dia lava sy mafy miorika ny rian-drano. Mitsambikina mivoaka ny rano izy, manezaka manatratra ny toerana nahaterahany. Farany, rehefa tonga eo amin’ny toerana niandohan’ny zavatra rehetra izy dia manatody. Fantany fa eo ihany ny zanany no ho afaka mihalehibe sy mitombo, noho ny tahan’ny oksizena sy ny hadion’ny riaka eny an-tendrombohitra. Hijanona roa taona ao anatin’izany rano madio izany ireo zanany, alohan’ny handehanany koa midina hihazo ny ranomasina.

Lesona lehibe ho antsika ray aman-dreny kristiana izany ! Hodidinin’ny loto ara-pitondrantena amin’ny endriny rehetra ny zanatsika, ka andraikitsika ny manorina ho azy ireo manodidina iainana anomezan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka ny „oksizena” ilain’ny tokantranontsika. Izany manodidina iainana tsara ara-panahy izany no hahafahany milomano any anatin’ny ranon’ity tontolo ity, ka hahavitany manoha riana, rehefa tonga ny fotoana hahaleovany tena.