Zoma 23 Jolay 2027

Katsaho aloha ny fanjakany (ny fanjakan’Andriamanitra) sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Ary amin’izany dia aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo ; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy. Matio 6:33-34

 

Fiteny avy ao amin’ny Baiboly (3)

Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho eo aminy

Fehezanteny fandre matetika io, mety hanana heviny maro samy hafa. Fitaomana hiala sasatra, ohatra rehefa mibahan-toerana loatra ny asa atao. Mety hidika ihany koa hoe tokony hanatanteraka ny zavatra tsirairay amin’ny fotoanany avy, tokony hifantoka amin’ny ankehitriny, alohan’ny hiheverana ny hoavy. Na koa hoe tokony hiatrika ireo zava-manahirana sy olana miseho androany, fa tsy hanahy izay mety hanjo rahampitso koa.

Aza hadinointsika fa Jesosy tenany mihitsy no nanonona voalohany io fehezanteny io, tao amin’ny „toriteny teo an-tendrombohitra” (Matio 5 hatramin’ny 7). Taominy isika hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha, izany hoe hametraka Azy ho ivon’ny fiainantsika, hikatsaka izay hahafaly Azy. Fa ny mikasika ny filantsika ara-pivelomana kosa, ny hanina mbamin’ny fitafiana, dia homen’Ilay Raintsika Izay any an-danitra. Ampian’ny Tompo isika hahatanty ny „ratsy” miseho amin’ny andro, ireo zavatra manavesatra antsika tsy maintsy tanterahintsika isanandro.

Koa nahoana àry no hanahy ny amin’ny ampitso ? izay eo ampelatanan’Andriamanitra ihany koa. Taomin’i Jesosy isika hatoky an’Andriamanitra, hanana fatokiana tanteraka Azy. Ampirisihiny isika hanova ireo laharan-kamehantsika, ka hampitodika azy ireny ho amina fifandraisana lehibe kokoa amin’Andriamanitra ; ary ampahereziny koa hiala amin’ny fanahiana ho amin’ny fatokiana.

Ndao hijanona eo amin’io tenin’i Jesosy io, avelao io hamonto antsika. Inona no tian’ny Kristy holazaina ahy izao ankehitriny izao ? Inona ireo fanahiana manavesatra ny foko ? ireo tahotra mangeja ahy ? mba tiany hesorina amiko.