Alakamisy 22 Jolay 2027
Andriamanitra miasa amin’ny heriny mampiseho ny fisandratany ; iza no mba mpampianatra tahaka Azy ? Joba 36:22
Raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra. Jaona 11:40
Mbola tsy niresaka haitontolo iainana tamin’ny andron’i Jesosy ! Izy, anefa, nahafantatra ny voary. Izy no nahary azy !
Matetika Jesosy no manazava ny fampianarany amin’ny alalana sary avy amin’ny voary. Araka izany Izy dia manohatra ny tenany amina voambary maty mba hamokatra salohim-bary, na koa amina rano tena manala hetaheta, amina foto-boaloboka mampita ny hanina amin’ny sampany, dia ny mpianany ; amina mpiandry ondry maty mba hamonjy ny ondriny very, amina hazavana manazava izao tontolo izao.
Mba hamonjeny olona tra-doza, na marary, na misy kilema, dia miasa amin’ny fomba mahagaga Izy, mampiasa ny rano ao amina farihy (ho ana lehilahy malemy iray) na tany nanaovany feta amin’ny rorany (ho ana jamba iray). Porofoiny amin’izany fa Izy dia mifehy ny voary.
Araka izany Jesosy dia mampiasa ny voary ho fitaovana hampahafantarany zavatra mikasika an’Andriamanitra amintsika. Rehefa mandinika ny voary isika dia mianatra hatoky Azy, Ilay Mpahary nahary ny voary ho tsara aoka izany, hisy karazany samihafa, ho voalamina am-pitandremana mba hihazona ny aina. Ny voary dia maneho amintsika ny halalin-tsain’Andriamanitra sy ny fitiavany ny tsara tarehy, maneho amintsika ny aina, ary mampiseho amintsika Andriamanitra tsy misy fetra nefa tia.
Mba hahafantarantsika Azy, dia nametrahany boky iray koa isika : ny Baiboly. Avelao àry ny voan’ny Tenin’Andriamanitra (sary iray koa, indramin’i Jesosy amin’ny voary !) hikasika ny fo sy fieritreretantsika. Dia hanaiky ny zon’Andriamanitra amintsika isika, hangataka famelan-keloka aminy satria tsy niraharaha Azy sy naniratsira Azy matetika loatra, ary hino ny sorona nataon’i Jesosy mba hampihavanany antsika amin’Andriamanitra sy hanomezany antsika fiainam-baovao.