Alarobia 21 Jolay 2027

Izay mandà anatra dia manary tena ; fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana. Ohabolana 15:32

Fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany ; Izay tsy nanota akory… raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva. 1 Petera 2:21-23

 

Mandray anatra avy amina fanomezan-tsiny

Isika ve tsy nisy fotoana efa sosotra tamina fanomezan-tsiny mitombina ? satria resy lahatra fa manana ny rariny. Matetika izany dia marika avonavona, izay halan’Andriamanitra (Ohabolana 8:13). Rehefa manana izany toe-po izany isika, dia mandà ny fanampiana ara-panahy avy amin’ny Tompo, mety homen’ny olona akaiky na manodidina antsika, ka hahatonga antsika hahita ireo fahadisoana na fahazaran-dratsintsika. Ary isika ihany koa dia tsy afaka hihambo hahay manao izany amin’ny hafa, raha tsy vonona hanaiky izany ho antsika !

Inona no ambaran’ny Baiboly momba izany ? Imbetsaka ny bokin’ny Ohabolana no mitaona antsika hanetry tena sy hanaiky ireo fampitandremana : Izay mandà anatra dia biby (12:1). Tahaka ny „mpaniratsira” izy (13:1). „Ho torotoro tampoka” (29:1). Izay mihaino ny fananarana kosa ka manaiky izany, dia maneho fahendrena sy faharanitan-tsaina : „Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao” (9:8). „Izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry” (15:5). „Mahazo fahalalana” izy (15:32). „Ny anatra no manome fahendrena” (29:15).

Ndao handray ny Tompo Jesosy ho ohatra. Impiry moa Izy no nomena tsiny ! nefa dia fanomezan-tsiny tsy mitombina mihitsy, satria tonga lafatra Izy. Na oviana na oviana Izy tsy mba namaly ny fanevatevana Azy (teny androany).

Avelao hiteny amintsika ireo teny avy ao amin’ny Baiboly ireo, mba hahatonga antsika hahay mihaino sy manaiky teny mampandini-tena antsika. Tsy hisy afa-tsy vokatsoa ho antsika izany.