Talata 20 Jolay 2027

Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho : Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho ; ary Ianao dia namela ny heloky ny fahotako. Salamo 32:5

 

Mahay miaiky ny fahadisoana

Ampahatsahivina antsika matetika ny maha sarobidy ny famelana fahadisoana, nefa tsy maintsy miaiky isika fa sarotra atao izany ! Ary mbola sarotra kokoa ny miaiky hoe mila famelan-keloka, satria izany dia mitaky, voalohany indrindra, ny fiekena ireo fahadisoana, eo anatrehan’ny hafa sy eo anatehan’Andriamanitra !

Satria kristiana isika, dia mahafantatra fa nahazo ny famelana izay rehetra helotsika, noho ny nahafatesan’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Koa nahoana àry no dia sarotra aoka izany ho antsika ny manaiky ny fahadisoantsika sy miaiky azy ireny ? izany hoe manambara azy ireny amin’ilay olona nasiantsika ratsy, na dia tsy nihevitra hanisy ratsy azy aza isika. Indraindray isika dia mirona hisalasala, vao tonga amina fiekena an-kitsimpo : „Tsy dia ratsy akory izany e !” na hoe : „Izy koa mba diso !” Mety hanandrana hanary dia koa isika, amin’ny fanaovana asa mendrika hita maso, nefa ny andrasan’Andriamanitra, aloha, dia ny hiekentsika ny fahadisoantsika amin’izay olona nasiansika ratsy (Matio 5:23-24).

Zava-dehibe toy izany koa ny iekentsika ireo fahadisoantsika eo anatrehan’Andriamanitra. Tiany ho marina isika, ao am-pontsika. Koa antsoiny isika ary tarihiny hahatsapa ny ratsy nataontsika sy hiaiky izany aminy. Ny tena fiekena marina dia mandresy an’i Satana ary manome haja ny Tompo. Dia soloin’ny fiadanan’Andriamanitra ny korontana ao anaty, ny fangidiana, ary ny nenina.

„Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9).