Alatsinainy 19 Jolay 2027

Ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka. 1 Tesaloniana 4:16-17

 

Rehefa misy fahamarinana iray miharihary amina ankizy

Ny fiverenan’ny Tompo

„Fony folo taona teo ho eo aho dia natory irery tao amina efitrano tany amin’ny iray amin’ny nenitoako. Nony misasakalina dia taitra aho, toy ny nahare mazava tsara ny feona trompetra nanakoako. Nanonofy ve aho ? Nefa aho izao efa taitra, ary toy ny mbola nandre ilay feo ihany, na dia lavitra kokoa aza izany.

Nobeazina tao amina fianakaviana kristiana aho, saingy tsy nahafantatra afa-tsy ampahany ihany tao amin’ny Baiboly. Na izany aza anefa dia voatanako io teny androany io, mikasika ny fiverenan’ny Tompo Jesosy, haka ireo izay nino Azy. Any amina teny hafa koa, dia misy resaka trompetra maneno, mifandray amin’ny fitsanganan’ny maty sy ny fampiakarana ny mpino (1 Korintiana 15:51-52). Dia nisy eritreritra nandalo tao an-tsaiko : Ilay trompetra manambara ny fiverenan’ny Tompo ve no reko ? Ary raha izany, nahoana aho no mbola eto am-pandriako ? Dia izaho irery ve no tafajanona ato an-trano ? Niverina tato an-tsaiko tamin’ny fomba tena manetriketrika ireo andininy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo, mbamin’ireo fanontaniana ireo. Nefa teo no ho eo ihany dia nisy eritreritra nibahana tato an-tsaiko, hoe : raha mino ny Tompo Jesosy ianao, dia tsy misy tokony hatahoranao. Nampitony ahy izany, sady nahatonga ahy hahatakatra fa miteny amiko angamba ny Tompo. Tsy maintsy inoako ho ahy manokana ireo fahamarinana ambaran’ny Baiboly. Azo antoka fa ilay mikasika ny fiverenan’ny Tompo no niantefa mafy tamiko voalohany, nandritra ny fahazazako. Nanamarika ny finoako fony aho mbola kely io zava-niainako io.”

Philippe