Alahady 18 Jolay 2027

Manana anarana voasoratra amin’ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe : MPANJAKAN’NY MPANJAKA SY TOMPON’NY TOMPO. Apokalypsy 19:16

Kristy … nampitoeriny (nampitoerin’Andriamanitra) … eo amin’ny tànany ankavanana any an-danitra, ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana. Efesiana 1:20-21

 

Haja ho an’Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka

Tamin’ny herinandron’ny fanasinana ny mpanjakavavy Victoria (an’i Angletera), tamin’ny taona 1838, no niseho ny tantara. Mbola tanora izy tamin’izay, nanatrika ny fampisehoana „ny Mesia” an’i Haendel. Araka ny fomba fanao, rehefa miventy ny „Haleloia” ny mpihira, dia mitsangana ny olona rehetra, afa-tsy ny mpanjakavavy.

Rehefa niventy ny mpihira hoe : „Haleloia, haleloia, manjaka ny Tsitoha”, dia tohina fatratra ny mpanjakavavy. Nangovitra ny molony, nanganohano ny masony. Nony farany dia tsy nahajanona nipetraka intsony izy, rehefa nohirain’ny mpihira ilay tonony mankalaza an’i Jesosy „Mpanjakan’ny mpanjaka”. Nitsangana izy ary nanondrika ny lohany nisatroka satroboninahitra, mba haneho fanajany an’Ilay „Mpanjakan’ny mpanjaka”.

Ny fihetseham-pon’ilay mpanjakavavy tanora dia fanehoana —kely sy bitika- ny tenin’ny bokin’ny Apokalypsy manambara ny ho fiankohofana manoloana an’i Jesosy. Ny loholona 24, kisarisarin’ny mpino rehetra, dia „hiankohoka eo anoloan’Izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana… dia hanipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny sezafiandrianana, ka hanao hoe : Ianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery” (Apokalypsy 4:10-11).

Na ireo izay tsy nanaiky fahavelony ny maha Tompo an’i Jesosy aza, dia tsy maintsy handohalika eo anatrehan’Ilay „Tompon’izao rehetra izao” (Asan’ny Apostoly 10:36). Araka izany, nosatrohin’Andriamanitra voninahitra aman-daza Izy, taorianan’ny naniratsirana Azy teo amin’ny hazofijaliana (Hebreo 2:9).

Izaho ve dia ho isan’ireo izay voatery hiaiky ny maha Tompo an’i Kristy, hanenina mandrakizay nandà ny fahasoavany ? Sa ho isan’ireo izay hankalaza izany ho mandrakizay, hiankohoka hitsaoka Azy ?