Asabotsy 17 Jolay 2027

Ampiomany ny fonareo ho an’i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo. 1 Samoela 7:3

Izy … nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ny Tompo amin’ny fo minia fatratra. Asan’ny Apostoly 11:23

 

Lesona omen’ny sifo-karam-bato

Fantatrao ve ny sifo-karam-bato ? Karazana sifotra mandany ny androny miraoka ny ahidrano maniry eny amin’ny vato hita rehefa misintona ny ranomasina. Mampiavaka ny sifo-karam-bato ny famaharany amin’ny vato, noho ny hoza-tongony mahery. Miraikitra mafy aoka izany eo izy, hany ka tsy mahendaka azy na onja vaventy na tafiodrivotra. Rehefa mahatsapa loza mananontanona izy, dia vao mainka mamikitra kokoa amin’ny vatolampy.

Ry kristiana namana, tahaka ny sifo-karam-bato mamikitra toy izany, dia ndao hanatona ny Tompo Jesosy. Ndao hifikitra aminy, hamaky tsy tapaka ireo filazantsara, am-pitandremana, am-bavaka, ary am-pitsaohana mihitsy aza. Izany no hampahatanjaka antsika, ato amin’ity tontolo miezaka hampihena ny finoantsika ity.

Ny tongotry ny sifo-karam-bato dia ahafahany koa miaina rehefa misintona ny ranomasina. Isaky ny misintona mantsy ny rano dia mihanjahanja tanteraka eo amin’ny rivotra izy. Manana havokavoka ahafahany miaina anaty ranomasina izy, nefa tsy afaka miaina eo amin’ny rivotra. Noho izany dia mipetaka amin’ny vatolampy, ka mihazona rano ao anatina fonosana misy ny havokavony. Ampy azy io rano io, hivelomany eo amin’ny rivotra rehefa misintona ny ranomasina, mandra-piveriny indray.

Isika ve mba manana izany tahirin-drano izany ho an’ny fanahintsika ? mba ho afaka mitoetra miadana, matoky, rehefa anaty fotoan-tsarotra. Eo anilan’i Jesosy isika no afaka hetaheta sy mandray ny hery ara-toe-panahy hiatrehana ny tontolo andro. Tahaka ny sifo-karam-bato miraikitra amin’ny vatolampy rehefa misintona ny ranomasina, dia ndao koa hifikitra amin’i Jesosy. Eo Izy, akaiky dia akaiky antsika.