Zoma 16 Jolay 2027
(Hoy Jesosy :) Ry Jerosalema, ry Jerosalema… impiry Aho no ta hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety ianareo ! Matio 23:37
Ianareo efa nahita izay nataoko tamin’ny Egyptiana, sy izay nitondrako anareo tamin’ny elatry ny voromahery, ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko. Eksodosy 19:4
Io fiteny io dia midika hoe mandray olona iray mba hiaro azy. Izany dia mampahatsiaro, amin’ny fomba mampihetsi-po, ny reniakoho manangona ireo zanany ho ao ambany elany, mba hiarovany azy ireo amina loza.
Ampiasain’i Jesosy io fiteny io hanehoany ny faniriany hanangona ny mponin’i Jerosalema (Teny androany). Tahaka azy ireo koa, angamba isika tsy te hitoetra eo ambany fiarovany ? Isika dia te ho tafavoaka amin’ny herintsika samirery, amin’ny fahasahiranantsika, ary rehefa misedra tolona tsy omby tratra vao manatona an’i Jesosy. Iray amin’ny vokatra mandoza indrindra ateraky ny fanalavirana an’Andriamanitra ny fiheverantsika ho mahafantatra kokoa noho Izy izay tsara ho antsika. Miamboho Azy isika, ary manandrana manavo-tena irery, araka izay antonitoniny vitantsika. Noho izany, „ny antso voalohany ataon’Andriamanitra amintsika, manoloana ny trangan-javatra rehetra, dia antso ho amin’ny finoana : mino fa eo Andriamanitra, mahatoky, mahafehy ny zavatra rehetra, tsy manadino antsika. Amin’ny maha Ray an’Andriamanitra, dia antso hatoky Azy no antso lalina indrindra sy hentitra indrindra ataony amintsika” (P. Jacques Philippe).
Izany fatokiana an’Andriamanitra izany, omban’ny fibebahana sy ny fiekena ireo fahadisoantsika, no mitondra antsika ho amina fifandraisana akaiky aminy. Dia afaka mankafy ireo zavatsoa omeny isika, miombona aminy sy amin’ny kristiana hafa. Aza afointsika izany. Indraindray Izy dia manandratra antsika amina elatra voromahery, mba hitantanany antsika, toy ny nataony fahiny tamin’ny vahoakany ; amina fotoana hafa Izy mampahery antsika eo ambany elatra iarovany antsika. Tena Andriamanitra mahatalanjona anie Izy e !