Alakamisy 15 Jolay 2027

Aza mivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia ; esory amin’ny ratsy ny tongotrao. Ohabolana 4:27

Ny manalavitra ny ratsy no làlamben’ny marina, ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy. Ohabolana 16:17

 

Mivily zotra

Lohataona ny andro ! Mandrakotra ny torapasika tarafin’ny masoandro ny mpanao fialan-tsasatra, milalao onja ny mpilomano, miala voly sy feno fifaliana ny rehetra. Tampoka teo anefa, nisy zava-doza nitranga : lasan’ny rano ny zazavavy kely iray ! Vetivety teo dia toy ny very izy, na nanao tsingevan-tsy mampilentika aza. Mila famonjena haingana izy ! Malina ireo mpamonjy voina, ka efa nametraka sambokely teo ambony rano, ary vetivety foana dia efa teny an-tsandrin’ny ray aman-dreniny ilay zaza.

Io zava-nitranga vao tsy ela io, teny amin’ny torapasiky ny ranomasina, dia mampahatsiahy antsika ny lozan’ny fivilian-jotra ara-panahy. Ny hoe mivily zotra dia miala amin’ny lalana tokony hizorana ; tsy dia tsapa izany amin’ny voalohany, nefa miha hita maso kokoa hatrany, rehefa mandeha ny fotoana. Andriamanitra dia mampitandrina ny mpino ny amin’io loza misoko io, ary manome azy ireo vahaolana mba hiatrehana izany, dia ny mitandrina ny Teniny, midika hoe mamaky sy mampihatra izany. Ny Tenin’Andriamanitra no mpitarika azo antoka, vatofantsiky ny fanahy, mba tsy hahatarika antsika ity tontolo ity.

Mahatsapa isika fa mety ho mora voasarika hevitra sy fomba fiaina mifanohitra amin’ny fihevitr’Andriamanitra. Mety hahazo antsika ny manao marimaritra iraisana amin’ny fieritreretantsika, izay mora donton’ny ratsy manodidina antsika. Ndao ho tahaka ny trondro misy kirany sy vombony resahin’ny Baiboly antsika, ho vonona hanarina ny tsy mety natao, ka haniry tsy hivily „na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia” (Deoteronomia 28:14). Tahaka ilay zazavavy kely lasan’ny onja isika, tsy afaka hitoetra eo amin’ny lala-mahitsy. Nefa hain’Andriamanitra atao ho antsika izany (Joda 24) raha angatahintsika aminy : „Velomy aho araka ny teninao” (Salamo 119:154).