Alarobia 14 Jolay 2027
Eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ny omaly, ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin’ny alina. Manindao azy tahaka ny riaka Ianao… Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry. Salamo 90:4-5, 12
Angamba io teny io efa nolazaina zokiolona anao, zokiolona mahita fa vita ny fiainany… Mba tiany koa raha tiany ny hiverina hiaina fotoana vitsivitsy fony izy tanora, fahatsiarovana nahafinaritra azy, ireo hadalana nataony…
Nefa tsy izany ihany ny fiainana. Alaivo an-tsaina hoe eo ambony torapasika ianao, manoloana ny ranomasina midadasika. Miondrika ianao, mandroboka ny tananao ao anaty rano mba hameno rano azy. Eo no ho eo ihany dia manomboka mivoaka eny anelanelan’ny rantsantananao ny rano, mandra-pahafoana ny tananao.
Io rano io dia kisarisarin’ny fiainan’olona, tsy mitsahatra mikoriana eny anelanelan’ny rantsantanany : „Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona” (Jakoba 4:14). Fa ny zava-dehibe dia io ranomasina mitoetra io. Eny, ny tena fiainana, ilay maharitra mandrakizay, dia omen’i Jesosy anao, raha mino Azy ianao ankehitriny. Tsy maintsy raisinao io fiainana io, alohan’ny haha ritra ny rano indray mitete farany avy eo amin’ny tananao… Io fiainana io no manan-danja indrindra.
Raiso io fiainana mandrakizay io ! Hoy ny Baiboly amintsika : „Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:36). „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Araka izany, ireo rehetra mino an’i Jesosy dia hiara-miaina aminy mandrakizay. Nambarany izany tamin’ilay jiolahy nibebaka, izay niala aina eo amina hazofijaliana teo anilany : „Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:43). Nefa izao eto an-tany izao, miaraka amin’i Jesosy, dia efa fiandohana fiainana vaovao.