Talata 13 Jolay 2027
Mivavaha … ho ahy … mba homena ahy ny hiloa-bava amin’ny fahasahiana, hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara. Efesiana 6:18-19
Raharahantsika
Nitory ny Filazantsara tany Chicago (any Etazonia) i D.L. Moody. Nony nivoaka ny efitrano vao avy nitoriany teny izy, dia nahita olona manjombona endrika, niankina tamina andrin-jiro. Nametraka ny tanany teo an-tsorok’io olona io ilay evanjelista, ary nanontany azy raha kristiana izy. Nefa namonkona totohondry ilay lehilahy, izay nahafantatra azy, sady nihiaka tan-katezerana hoe : — Tsy raharahanao izany !
- Azafady raha nanafintohina anao aho, hoy i Moody namaly, nefa raha tsorina ny marina, dia raharahako indrindra ny mampahafantatra amin’ny olona rehetra ny lalam-pamonjena sy mitaona azy ireo hino ny Tompo Jesosy Kristy. Dia nizorany ny lalany, satria fantany fa tsy afaka hanao na inona na inona hafa izy, tamin’io fotoana io.
Indray hariva, tokony ho telo volana tatỳ aoriana, dia taitra tamin’ny torimasony ilay evanjelista, fa nisy olona nandondòna tao am-baravarany. Iza izao ? hoy izy (anarana tsy fantany no nolazain’ilay olona). Inona no ilainao ?
- Te ho tonga kristiana aho.
Nanokatra ny varavarana i Moody, ka nifanatrika tamin’ilay lehilahy tezitra mafy fony nanontaniany teny an’arabe. Niala tsiny ity mpamangy, noho ilay fihetsiny, ary niaiky fa nikorontana ny fieritreretany nanomboka tamin’iny andro iny. Niasa tao am-pon’io lehilahy io ny Fanahy Masina, ary notarihin’i Moody izy hanatona ny Kristy.
Rehefa mitaona ny namantsika handray an’i Jesosy ho Mpamonjiny isika, dia tena manao ny raharahantsika tokoa… na ny marina kokoa, ny raharahany.
Ampio aho hanambara Anao, hitantara na aiza na aiza ny hazofijaliana ;
Aoka ny feoko tsy ho menatra na hatahotra hanambara ny Mpamonjiko, ny finoako !
(Hymnes et Cantiques — Fanontana 2022, laharana 256)